Ao anatin’ny fiofanana mikasika ny fiarovana ny tontolo iainana sy ady amin’ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy sy ny ankizivavy ny eo anivon’ny Centre Arrupe Madagascar, amin’izao fotoana izao. Fiofanana mandritra ny hefarana izay hifarana ny 23 novambra 2022 izao, tanterahina eny amin’ny Village Aina Benasandratra. Tanora 49 anatina fikambanana maro samihafa, avy amin’ny faritra maro no tonga manatrika izany. Avy eto amin’ny diosezin’Antananarivo, Ambanja, Fenoarivo Atsinanana, Farafangana, Morondava ary Ihosy. 25 avy amin’izy ireo misehatra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana, amin’ny ady amin’ny herisetra kosa ny 24.
Misy lohahevitra roa ny fiofanana. Voalohany, ny fampidirana ny ODD 13 (Tanjona ho an’ny Fampandrosoana Maharitra). Eo koa ny fampiofanana azy ireo mba hahay hisoroka ny herisetra sy handray an-tanana ireo niharan’izany. Fanampin’izany, ny laudato si, ny fahafantarana mikasika ny fiovan’ny toetr’andro ary ny fandrafetana laminasa. Misahana ny fampiofana azy ireo ny manam-pahaizana manokana avy amin’ny GIZ sy ny PNUD. Tanjona amin’izany ny hampandrosoana ny firenena sy hanatsarana ny tontolo iainana ary hampihenana ny tahan’ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy sy ny ankizivavy eto amin’ny Nosy.
Isan-taona ny fiofanana, hoy ny eo anivon’ny tompon’andraikitry ny Centre Arrupe Madagascar. Izay tafiditra anatin’ny fandaharanasan’izy ireo. Aorian’ny fiofanana azo, hisy ny atrikasa sy hetsika ataon’ny mpiofana eny anivon’ny fiarahamonina sy ny fikambanana nandefa azy. Hisy kosa ny fitsirihana ataon’ny Centre Arrupe amin’izany.
Mino (Mpianatra asa)