Efa tena mampisalasala, ankehitriny, ny fahamarinan’io tononkira io. Tena tanindrazan’ny Malagasy tokoa ve i Madagasikara ? Sao mba hafanam-po fotsiny ny hamaliana io fanontaniana io amin’ny hoe : « Eny » fa raha ny tena zava-misy, tsy izay intsony. Na izany na tsy izany, tena an’ny razan’ny Malagasy tokoa ity tany ity raha ny fakofakon-taratasin’ny mpilalao politika no jerena. Singa iray nahafahana milaza fa antsika tokoa i Madagasikara io…
Tsy antsika intsony i Madagasikara matoa isika tsy sarotiny amin’ny fananana azy. Ireo singa maha firenena ny firenena iray, saika naloan’ny Malagasy avokoa. Goavana indrindra amin’ireny ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao. Maharikoriko ny Malagasy sasany, ohatra, ny maheno hoe « raokandro » kanefa eto amintsika no hakan-dry zareo vahiny ny ravina bakakely hanaovana fanafody kibo, ny radriaka ho zary fanafody tosidra, sns.
« …Tany sarobidy, masina tokoa » ! Mahalala ny maha sarobidy ny tanintsika isika ka nahoana no mamela izany hotavanin’ny hafa ? Sa sanatria tsy « masina » na efa very hasina tokoa ? Fanontaniana saro-balina, saingy ahafahana manaitra ilay hambom-po maha Malagasy. Saingy rehefa voakitika matetika io hambo io ka tsy voafehy, mety ho lasa matikambo ny olona iray. Sao mba izay ary ity mahazo antsika Malagasy ity ?
« Lova soa nomen’ny razanay taloha… » ! Fa angaha moa mbola fantatry ny taranaka ankehitriny fa nipoitra avy amin’ny razany izy ? Raha eny, maninona no vingavingaina sy hodian-tsy fantatra ireny razana nipoirana sy namela lova soa ireny ? Nariana na nosoloina zava-bahiny ireo « lova soa » navelan’ny razana teo aloha hany ka voavetaveta ny Malagasy sy i Madagasikara.
Raha tsy mitandrina fatratra ny Malagasy, ho lasan’ny vahiny ao anatin’ny fotoana fohy i Madagasikara sy ny momba azy rehetra, ka ireo vahiny ireo indray no hihira ny « Madagasikara, tanindrazanay… », amin’izay fotoana izay !
HaRy Razafindrakoto