Nandritra ny fizarana ny « Toseke Vonje Aigne » tao amin’ny distrikan’i Beraketa, faritra Androy ny zoma teo no nahafantarana fa efa manomboka miarina ny fiainan’ny mponina ao an-toerana.
Afaka miatrika ny fotoan’ny maitsoahitra ny mponina, mividy sakafo sy mampiana-janaka mandritra ny fotoana mahamafy ny mosary sy ny haintany. Vokany, nihena ny tahan’ny fialana an-daharana an-tsekoly rehefa fotoan’ny maitsoahitra. Nihatsara kosa ny fiakaran’ny vokatra rehefa nomena ny tan-tsoroka rehetra ny mpisitraka ny « Toseke Vonje Aigne ».
100 000 Ariary isan-tokantrano no omena ny loham-pianakaviana hiatrehany ny kere. Tokantrano 14.940 ao amin’ny faritra Androy ny hisitraka ny vola miampy kaominina dimy ao amin’ny distrikan’i Beraketa sy kaominina iray ao amin’ny distrikan’i Beloha. Mandritra ny enim-bolana ny fizarana vola hahafahan’ny olona misakafo sy mivelona araka ny tokony ho izy.
« Tanjona ny hampihena ny fahafatesana vokatry ny mosary mandritra ny taom-pahavaratra tsy mampisy ny vokatra. Eo koa ny hitazomana ny olona tsy hifindra monina vokatry ny mosary mandritra io fotoana mafy io », hoy ny tompon’andraikitry ny FID ao Taolagnaro, misahana ny faritra Androy, Randriantsoa Dina.
Misy tan-tsoraka, fampiofanana sy fitaizana ireo mpisitraka. Ampianarina mitantam-bola, manao tahiry sy ny fampiasana ny vola, fandaniana amin’ny resaka fahasalamana sy sakafo izy ireo.
Omena tan-tsoroka hahay hitantana
Ampianarina amin’ny fanatsarana ny vokatra fambolena sy fiompiana ary asa tanana arakaraky ny asan’ny mpisitraka ihany koa.
Rehefa tonga ny volana avrily dia heverina ho ny 40%-n’izy ireo no nahavita zavatra nitsangana.
Intelo tao anatin’ny roa taona nisesy no efa nisy tosika vonjy aina ho an’Androy. Noho ny hery vaikan’ny kere izay mihamafy isan-taona dia mitohy ny fizarana ho fanarenana ny fiainan’ny mponina izay tena marefo sy reraky ny tsy fanjarian-tsakafo.
Niainga tamin’ny fanadihadiana teny ifotony no nahafantarana fa tena ao anatin’ny hamehana ireo kaominina iasana ireo ka izany no hanaovana ny hetsika ao an-toerana.
« Kaominina miisa 58 no ao amin’ny faritra Androy ary tratran’ny mosary avokoa 98%-n’ny mponina ao anatiny », hoy ny talem-paritry ny minisiteran’ny Mponina ao Androy, Manatsoa Alexis. Tokony hitohy sy hiitatra amin’ny kaominina sasany ny fanampiana sy tohana.
Tatiana A