Faritra Androy: voaaro ireo zaza varira 7 mianadahy

Tato ho ato, tsy nisy intsony ny trangana fangalarana zaza varira ato amin’ny faritra Androy, hoy ny kaomandin’ny zandarimaria Androy, Ny kolonely, Rakotovao Hygin. Fito mianadahy ireo zaza varira miparitana eny amin’ny fokontany indrindra somary ambanivohitra. Efa voaaro izy ireo amin’izao fotoana raha ny fanazavana satria efa mafy orina ny dina sy ny fifampitondrana eo amin’ny fiarahamonina hampandriana fahalemana.

Misy ny fanentanana atao eny anivon’ny fiarahamonina itondrana fandresen-dahatra fa tsy misy antony tokony hilana varira fa tsaho mandeha ny mikasika azy ireny.

Raha ny fitantaran’ny talem-paritry ny minisiteran’ny Mponina kosa, zaza varira telo no nisy nanao takalon’aina teo aloha saingy avotra teo am-pelatanan’ny mpaka an-keriny avokoa izy ireo noho ny fiaraha-miasa amin’ny mpitandro filaminana.

Angidimby no fitaovana ilain’ny mpitandro filaminana any an-toerana hahafahana manafaingana ny asa fandriampahalemana sy hanarahan-dia ireo dahalo, indrindra hahafantarana ny zohy fieren’izy ireo. Ankoatra ny halatra varira teo aloha, mpiseho amin’ny faritra Androy koa ny halatr’omby. Mampiasa ny paikady rehetra ireo mpitandro filaminana amin’ny vela-pandrika sy ny fanafoanana ny asan-dalahalo.

Dia an-tongotra mandritra ny roa andro sy roa alina no misy ny sisin-tany mampisaraka ny faritra Androy sy Anosy. Lavitry ny tanàna ireo ka any no tena manao ny asa ratsiny ny dahalo.

Tatiana A

Partager sur: