Miroso manome tolotra avo lenta ho an’ny mpanjifa ny mpandraharaha tanora amin’izao fotoana izao. Mitaky fahasahiana sy fahavononana anefa izany satria ilana fahaiza-mitantana mba haharitra ilay fandraharahana atao, hoy i Francia Martinez. Nisehatra tamin’ny fandraisam-bahiny sy ny fizahantany tany ivelany (Frantsa- Thailande…) izy teo aloha fa niverina an-tanindrazana ary nisafidy ny hanokatra toerana fikoloana ny volo sy ny endrika amam-bika eny Ampandrana amin’ny kalitao avo lenta. Hiezaka hiavaka amin’ny fomba fiasa matihanina sy akora ampiasaina izy sy ny mpiasa ao aminy, araka ny voalazany. Natokana ho an’ny vehivavy efa miasa malagasy sy vahiny mitady tolotra manana kalitao ny Blossome miaraka amin’ny vondrona Kambana. Nisokatra ny faran’ny herinandro teo ity toerana ity.