Fisafoana  ataon’ny polisy: olona 3 tratra namaky trano

Manomboka manatanteraka asa fisafoana eny amin’ny elakela-trano ny polisim-pirenena amin’izao. Tanterahin’izy ireo izany rehefa manomboka maizina ny andro. Vokany, nifanehatra tamina olona telo avy namaky trano izy ireo tamin’izany, tokony ho tamin’ny 1 ora maraina. Nahitana lehilahy roa sy vehivavy iray, izay nitranga teo amin’ny lalankely hiditra an’Antaninandro mivoaka Ampandrana iny.  Tratra niaraka tamin’izy ireo tamin’izany ny entana avy nangalarany, toy ny akanjo, ny kojakojan-dakozia…

Mahatratra 84 eo ireo olona voasambotry ny polisy teo anelanelan’ny 14 – 20 novambra 2022, raha ny tatitra nataon’ny polisy boriborintany fahatelo.  5  tamin’ireo, tratra nanao fanafihana mitam-piadiana miaro herisetra. 16 tamin’ireo, tratra  ambodiomby. Olona roa  nanao hala-boty,  efatra nangalatra moto, valo hafa tratra nifoka  sy nivarotra rongony, enina hafa nandratra  ary  iray nanao fisolokiana.

Mitohy hatrany moa ny hetsika fisafoana ataon’ny polisy manerana ireo fokontany eto Antananarivo. Mba hanamaivanana ny tsy fandriam-pahalemana misy eto Antananarivo sy ny manodidina. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana kosa ireo jiolahy tratra rehetra.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: