O rey olona a! na biby izay heverintsika ho tsisy fanahy aza angamba tsy manao ho toy ny olona sasantsasany. Ankona ny tena raha nahita ny vaovao nampitaina, niaraka tamin’ny sarin-javavikely iray voaolana sady niboraka tsinay. Torak’izany ny zaza iray hafa notapahin-doha rehefa avy nanaovana ny filan-dratsy. Nihorona ny hodi-doha, te hitroatra mafy, saingy angaha afa-manoatra? Bedin’ny lalàna rahateo ny fanaovana fitsaram-bahoaka eto Madagasikara. Mampahonena ny zava-misy, atao amin’ny zaza, zanaka. Azo lazaina marefo, saingy tsy misy mpiaro ny ankizy malagasy na lahy na vavy.
Vao afakomaly, nankalaza ny Andro eran-tany momba ny ankizy isika. Aiza anefa ny ezaka azo tsapain-tanana? Mijanona ho tetikasa sy fetifety ny ankamaroan’ny hetsika. Nankaiza izao ny famaizana ny olona nanolana sy namono an’ilay zazalahikely vao enin-taona tao Morondava? Ny heno farany, tonga naka ny olom-pireneny ny masoivohon’ilay firenena tanindrazan’ilay vazaha. Tsy misy na fanambarana, na fandraisana andraikitra avy amin’ny fanjakana eto an-toerana. Ny mifanohitra amin’izany aza no zava-nisy. Raha ny miray hina sy miara miory amin’ny fianakavian’Itompokolahikely no tokony hataon’ny mpitondra ao an-toerana. Nidedadedaka sy nilanonambe, tamin’ny “filoham-pirenena hosoka na dika mitovy” no nahamendimendy ny mpanao politika.
Ankoatra ireo, firifiry ny raharaham-pitsarana momba ny fanolanana, zary very an-javony rehefa mandalo fitsarana. Na manao izay ezaka rehetra hanenjehana ny olon-dratsy aza ny mpitandro filaminana toy ny zandary sy ny polisy, indrisy misy hatrany ny tsimatimanota na zara fa misazy. Ny tena zava-doza, mainka mahatezitra ny fandrenesana ny mpanolana, mirehareha fa tsy misy afaka managadra azy izany. Manginy fotsiny ny manao tsidi-pahitra ny fonja. Izany ve dia ho rariny! Sodoka anefa ny tena raha mandalo an’ireny lapan’ny fitsarana ireny, mahita ilay soratra hoe “fialofan’ny marefo itony toerana itony…”
Indraindray mametra-panontaniana amin’ny fomba fiasan’ireny nomem-pahefana hampihatra lalana ireny. Sanatrian’ny vava izay hisalovana ny asan’olona na hanankiana be fahatany azy ireo. Misy ny tranga hitam-poko hitam-pirenena fa tsy araka ny tokony ho izy ny sazy mivoaka. Mazava moa ny filazan’ny tomponandraiki-panjakana sy ireo eo anivon’ny fitsarana, fa misy tokoa ny volo manoa randrana, misy ny fandoto noho ny resaka kolikoly. Izay indrindra no asiana tsindrim-peo, aza dia simbaina noho ny vola ny fiainan’ny zanatsika. Ny tody rahateo tsy misy fa ny atao no miverina! Anio isika miliba sy faly amin’ny fiarovany ny ratsy fa tsy misy tompon’ny ampitso.
r.r