Nokasain’ny tovolahy miisa telo hovonoina ny zandary roa lahy nanao fisafoana, afakomaly alina. Teo amin’ny Horizon Bemasoandro Itaosy no nisehoan’izany.
Tsatok’antsy ! Io no navalin’ireo telo lahy rehefa nasain’ny zandary namonjy fodiana izy ireo, ny alin’ny alahady teo. Teo am-panaovana fisafoana amin’ny alina hisorohana ny tsy fandriam-pahalemana eny amin’iny toerana iny, sendra ireto andian-jatovo 17 taona ka hatramin’ny 20 taona ireto ny zandary. Nisotrosotro sy nirenireny, nomen’ny mpitandro filaminana baiko hamonjy ny trano fonenany ireo tovolahy ireo. Niala tokoa ireto farany, saingy nanao be famaliana. Niverina tampoka teo amin’ireo zandary izy telo lahy, mody nampiresaka sady nanatona moramora.
Hangataka fanazavana
Nanao tanana an-damosina ireto tovolahy ireto, tsy nanampo na inona na inona kosa ireo zandary roa lahy. Nandalo tampoka anefa ny teo anivon’ny Emmo rehefa avy nanatanteraka ny asany. Niaraka tamin’izy ireo ny lehiben’ny Tobim-paritra Itaosy sy ny lehiben’ny vondron-tobim-paritra Antananarivo Ville. Nahatazana ireto farany fa nilanja antsy tsirairay tany amin’ny tanany aoriana ireo tovolahy telo. Raikitra ny fisamborana. Nentina natao fanadihadiana teny anivon’ny zandary ireto saika hanohitra mpitandro filaminana ireto. Niaiky heloka, 15 taona ny zandriny indrindra tamin’ireto naniratsira mpitandro filaminana ireto. Atolotra ny fampanoavana tsy hoe ela ny raharaha.
Tsiferana Randriatiana