Nanamarika ny andro voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra Orange Pro League (OPL 2022) ny fahavitsian’ny ekipa mpandresy ho an’ny kaonferansy avaratra. Tsy nisy afa-tsy ny Fosa Jr Boeny ihany mantsy ny hany nahazo fandresena tamin’izany. Araka izany, ity ekipan’i Boeny ity ihany izany ny nahazo isa 3.
Ankoatra izay, ekipa efatra nanao ady sahala avokoa dia ireo izay heverina fa lehibe sy efa manana ny toerany. Anisan’izany ny Ajesaia, ny Tsaramandroso Formation, ny Cosfa ary ny Tia Kitra. Ny AS Fanalamanga no ekipa tokana tojo faharesena tamin’izao fanombohan’ny fifaninanam-pirenena izao.
Tsy mbola niatrika ny andro voalohany kosa ny Uscafoot sy ny AS Diana, izay hahemotra amin’ny andro manaraka.
Ho an’ny kaonferansy atsimo kosa, mizara roa miavaka tsara ireo ekipa valo. Ekipa 4 no nahazo fandresena dia ny CFFA, ny Zanakala FC, ny Jet Kintana ary ny Elgeco Plus. Samy tojo faharesena daholo kosa ny Mama FC, ny 3FB Toliara, ny Dato FC ary ny Disciples FC.
Vitsy kosa ny baolina tafiditra tao amin’ny kaonferansy avaratra satria tsy nisy afa-tsy 5. Nahatratra 8 kosa izany ho an’ny kaonferantsy atsimo. Ambaran’ny teknisianina fa mbola vitsy raha izany antontanisa amin’ny baolina maty izany no jerena. Inoana fa hitombo izany amin’ny andro faharoa, hotanterahina ny asabotsy sy ny alahady ho avy izao.
Tompondaka