Niditra hopitaly…: miantso tolo-tanana i Janga Ratah

Efa herinandro maromaro izay no tojo tsy fahasalamana i Janga Ratah. Nihombo hatrany ny aretin’ity mpanakanto ity, ka voatery nampidirina hopitaly etsy Befelatanana izy. “Mila vola ny fitsaboana ka angatahana isika namana mpanakanto, indrindra isika mpankafy azy mba hitondra izay voarambin’ny tanana”, hoy ny fanentanana nataon’i Jaojoby, raha tonga nitsidika azy. Nanamafy izany fanentanana izany i Jerry Marcoss, izay tonga nitsidika azy ihany koa. Toraka izany ry Dj Mourchidy, Wendy Catalina, sns, izay efa nanao tolo-tanana ihany, saingy mbola mila volabe ny fitsaboana an’i Janga Ratah.
“Tena ianao no namana, ianareo no havana… Anatin’ny fahasahiranana tanterana aho… tena marary. Tsy mbola nisy fiovana fa vao mainka aza niha tsy salama nanomboka tamin’iny fotoana nanaovako ny video iny”, hoy ny filazan’i Janga Ratah , tanatin’ny “video” navoakan’i Jaojoby. Hita amin’ny tarehiny fa tena marary zara raha mahavita mihetsika sy miteny i Janga Ratah. Hirariana ny hahasitranany haingana, hiakarany an-tsehatra indray hizarany ny salegy mafana manavanana azy. Ho an’ireo te hanampy azy, afaka mandefa izany amin’ny laharana 038 98 800 77 na 032 41 084 58.

Zo ny Aina

Partager sur: