Noloarana ny kibony: ankizivavikely 10 taona sady naolana no novonoina

Ankizivavikely vao 10 taona monja no maty tamin’ny fomba feno habibiana tao Andranoboaky, distrik’Ambohimahasoa, afakomaly. Sady naolana no novonoina izy.

Habibiana mahatsiravina ny natao an’ity ankizivavikely vao 10 taona monja tao Andranoboaky, fokontany Andohanisahatona, distrikan’Ambohimahasoa, faritra Matsiatra ambony ity. Naolana izy no mbola novonoina ihany koa. Afakomaly antoandro, nirahin’ny reniny hitady ravitoto ity zanany vavy ity. Tsy niverina anefa ilay zanany nony hariva ny andro. Vokany, nampandre ny fokonolona sy manodidina ilay renim-pianakaviana nitady ilay ankizivavikely. Ora vitsy taorian’izay, hita faty tsy lavitra ny tanànan’Andranoboaky ny vata-mangatsiakan’ilay ankizivavikely. Voaolana izy sady mbola noloarana ny kibony. Manoloana izany, niahiahy mafy an’i Bekely avy hatrany ny fokonolona tamin’ity vono olona ity. Mpiara-monina eo an-toerana ny lehilahy ary tsy hita teo an-tanàna nandritra ny fikarohana an’ilay zazavavikely. Hariva mihitsy ny lehilahy vao tonga teo Andranoboaky fa mbola nanoto ravitoto nataony laoka, raha ny filazan’ireo nanatri-maso. Hatramin’ny ora nanoratanay farany, tsy mbola hita anefa i Bekely. Fantatra fa efa nisazy tao amin’ny fonjan’i Fianarantsoa izy. Nigadra nandritra ny 15 taona izy noho ny resaka vono olona an-tsitrapo. Noho izany, tsy dia salama saina loatra i Bekely. Etsy ankilany, nampandrenesina ny dokotera sy ireo olom-boafidy ao Sahatona mba hitsirika eny rehetra eny. Ireo zandary kosa hitady sy hisambotra ilay voalaza ho nahavanon-doza. Natolotra ny fianakaviany kosa ny vata-mangatsiakan’ilay ankizivavikely.

Nitsabo tena saingy…

Maty ny zoma teo ilay ankizivavikely 7 taona voaolana tao Ambalafary, andro vitsy lasa izay. Efa nitsabo tena nandritra ny fotoana maharitra izy, saingy tsy tana ny ainy noho ity zava-doza nahazo azy ity. Mahonena loatra ny zava-nisy. Raim-pianakaviana efa ho 50 taona manam-bady aman-janaka no voatondro ho nahavanon-doza. Nitsoaka nandositra anefa ny lehilahy vao niahiahy azy ny ray aman-drenin’ilay ankizivavikely. Araka izany, hanaovan’ny mpitandro filaminana hazalambo ity raim-pianakaviana ity.

Ankoatra izay, nivoaka ny 13oktobra teo ny raharaha mahakasika ilay ankizilahy 13 taona nanolana ankizivavikely vao enin-taona monja. Nilatsaka ny didy! Voaheloka handoa onitra mitentina 15 tapitrisa Ar amin’ny ray aman-drenin’ilay ankizivavikely ity nahavanon-doza.

 

Henintsoa H./Sajo

Partager sur: