Lavon’ny Oranjes Pays Bas, tamin’ny isa mazava 2 no ho 0 ny Lionan’i Senegal, teo amin’ny andro voalohany ho an’ny vondrona “A”. Efa tany amin’ny 6 mn farany vao nahazo fandresena ny Hollandais.
Tsy afa-nitrena fa nilofika teo anatrehan’i Pays-Bas, tamin’ny isa 2 no ho 0 ny Lionan’i Teranga avy atsy Senegal. Fihaonana ho an’ny sokajy “A”. Valim-panafihana avokoa ireo baolina matin’ny Oranjes. Baolina voalohany tafiditr’i Cody Gakpo, teo amin’ny minitra faha-84. Efa tany amin’ny fanampim-potoana 90 + 9 mn, ny baolina faharoa, tafiditr’i Davy Klaassen, taorian’ny baolina votsotra teny amin’i Mendy, mpiandry tsatoby.
Tamin’ny ankapobeny, nifandanja ny fihaonana ary samy nanana baolina tokony ho tafiditra avokoa na ny andaniny na ny ankilany. Minitra faha-72 nisy baolina saika tafiditry ny Senegaly fa voatohan’i Noppert, mpiandry tsatoby hollandey, ny dakan’Idrissa Gueye. Hatramin’ny farany, nitady hirika hamonoana baolina ny Liona, saingy ratsy hatrany ny famaranana. “Nikoropaka loatra izahay rehefa mahazo valim-panafihana. Tsy hain’ireo mpilalao ny nitandrina taty amin’ny 5 mn farany indrindra fa nisy ilay baolina iray maty voalohany iny, izay nahatonga fikoropahana. Na izany aza, faly aho tamin’ny endri-dalao nasehon’ireo mpilalaoko”, hoy i Alliou Cissé, mpanazatra senegale.
Manana isa telo mitovy amin’i Ekoatera ihany koa izany izao ny Pays-Bas, ao amin’ity sokajy “A” ity. Hidona i Senegal sy i Qatar ekipa samy resy, ny zoma ho avy izao ary heady ho lohany kosa i Ekoatera sy i Pays-Bas.