Sambany teo amin’ny tantaran’ny tenisy espaniola, nahitana mpilalao miarahalahy avy aminy, mitarika eo amin’ny filaharana ATP. Vaovao hita tao amin’ny fandaharana l’équipe, omaly. Ny mpilalao rehetra dia sokajiana taorian’ireo lalao 52 rehetra vitany. Araka izany, mitarika eo amin’ny laharana voalohany i Carlos Alcaraz, manana isa 6 820 arahin’i Rafael Nadal manana isa 6020. Fahatelo, ilay Norvezianina i Casper Ruud.
Any amin’ny fahadimy kosa vao tazana ilay Serba, i Novak Djokovic, na resy tamin’ny “Master de Turin”, ny alahady lasa teo.
Fitia (Mpianatra Asa)