Toliara: lehilahy iray maty notapahin-doha

 Mirongatra izay tsy izy ny tsy fandriam-pahalemana ao amin’ny faritra atsimo andrefana. Tovolahy iray no hita faty tamin’ny fomba feno habibiana tao Antanimeva, distrikan’i Morombe, afakomaly. Notapahin-doha izy ary noentin’ireo jiolahy nanaraka azy izany, hoy ny loharanom-baovao iray. Ankona ny rehetra raha nahita ity habibibana mahatsiravina ity. Niteraka resa-be teo an-toerana ihany koa ny zava-nisy. Araka izany, samy nametra-panontaniana ny anton’ity zava-doza ity ny rehetra. Omaly, hita tao Bekofafa ny lohan’ilay maty. “Tsy hita teny aminy intsony ny masony sy ny lelany”, hoy hatrany ny loharanom-baovao. Hatramin’ny ora nanoratanay farany, tsy mbola fantatra ny antony nahatonga ity vono olona ity. Tsy nahazoana fanazavana mahakasika ity tranga ity rahateo koa ny zandary ao an-toerana.

Ankoatra izany, raim-pianakaviana iray hafa koa maty an-drano tao Mangily, ny 22 oktobra lasa teo. “Efa maty ny havanay vao natsipy tao anaty rano. Feno ratra ny lohan’ilay raim-pianakaviana ka sarotra amin’izy ireo ny hino fa maty an-drano ny havany”, hoy hatrany ny fanazavana. Namela kamboty telo mirahavavy sy mananontena iray ity raim-pianakaviana ity. Marihina fa tsy vao izao ireto vono olona mahatsiravina ao Toliara II ireto.

 

Henintsoa Hani

Partager sur: