Hifarana ny alahady 27 novambra ho avy izao, eny amin’ny kianja Herisetra Sabotsy Namehana, ny «Tournoi», karakarain’ny fikambanana Mpikitra sy ny kaominina Sabotsy Namehana, ho an’ny sokajy zokiny, taranja baolina kitra. Hifanandrina amin’izany ny FSN (Firaisan’ny Sabotsy Namehana) sy ny Manjakalalao. Homena lelavola 1 tapitrisa Ar sy medaly volamena ary amboara ny ho voalohany. Medaly volafotsy sy baolina kosa ny an’ny faharoa.
Raha hiverenana, ny alahady lasa teo, nandritra ny manasa-dalana, resin’ny Manjakalalao tamin’ny fandakana ny «tirs au but», 4 no ho 3 ny AS Fanilo Soavimasoandro. Lavon’ny FSN, tamin’ny isa 2 no ho 0 kosa ny Union des Journalistes. Afa-bela tamin’ny mpanao gazety ny FSN, izay efa resin-dry zalahy, nandritra ny lalao fifanintsanana.
Ankoatra izay, nanatrika ny lalao Rafanodina Herisetra, mitondra ny anaran’ny kianja. Izy izay mpilalao novolavolaina tao amin’ny FSN ary nanatevina ny ekipam-pirenena fahiny Club M, tany amin’ny taona 80 sy 90. Mipetraka atsy La Reunion izy, ankehitriny ary mandalo eto an-tanindrazana. Nambarany fa mampiray ny baolina kitra ary mampandroso ny firenena satria hahalalan’ny any ivelany an’i Madagasikara, ny fahaizam-baolina ka nampirisihiny ireo tanora. Nanolotra “polo” sy “survêtement”, ho an’ireo mpilalao 25 mirahavavin’ny Sab-Nam, miatrika ny fifaninanam-pirenena any Ambanja, i Herisetra.
Notsiahivin’Andriamosa Avotra, Ben’ny Tanànan’ny Sabotsy Namehana fa saika hatao tribonaly io kianja Herisetra io, saingy nanohitra izany ny tenany sy ireo mpilalao rehetra satria io no fitaovana iray hitaizana sy hanabeazana ireo tanora ao an-toerana ary hany kianja hifaninanana, amin’ireo ekipa ivelan’ny kaominina tantaniny. Efa mampiomana sahady ny Mpikitra fa hanomboka tsy ho ela ny “Tournoi”, vaovao.
Tompondaka