Basikety – «BAL Elites 16»: resin’ny City Oilers Oganda ny Cospn

Ratsy fiditra ny ekipan’ny Cospn Madagasikara, teo amin’ny andro voalohany hiadiana ny “Bal Eites 16”, taranja basikety. Niondrika teo anatrehan’ny ekipan’i City Oilers avy any Oganda, mantsy ry zareo polisy.

Niditra an-tsehatra, omaly, ao anatin’ny dingana faharoa ny fifanintsanana ny BAL elites 16, taranja basikety, ny ekipan’ny Cospn Madagasikara. Ratsy fanombohana ny ekipa malagasy tao anatin’izany, izay resin’ny City Oilers Oganda, tamin’ny isa 71 no ho 59. Na dia teo aza anefa ny faharesena, nifandanja ihany ny lalao teo amin’ny roa tonta. Nifandimbiasana ny fampidiram-baolina, nandritra ny ampaham-potoana voalohany sy faharoa ary fahatelo. Teo amin’ny ampaham-potoana farany no somary nihena ny herijikan’ny Cospn ka nanararaotra ny City Oilers, ka io isa 71 no ho 59 io ny niafaran’ny isa teny amin’ny solaitrabe. Mbola mitohy ny fifaninanana, ekipa telo mendrika no hotsongaina ka mbola anatin’ny ady tanteraka ny Cospn Madagasikara. Ny ekipan’ny Ferroviario Da Beira Mozambika indray no miandry ny Cospn Madagasikara anio. Efa hita ny lesoka omaly ka vonona ny hanarina izany ny mpilalao, araka ny nambaran’ny mpanazatra ny Cospn.

 

Mi.Raz

 

Partager sur: