Beach soccer: hiova mpanazatra ny Barea

Taorian’izay 13 taona nitondran-dRamarolahy Solofo, mpanazatra ny Barea Soccer teo aloha, fantatra  izao, araka tsiliam-baovao voaray, fa hosoloina ny tenany. Tsiahivina fa ny Barea izay avy nanao ny fifaninanana niadina ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2022), natao tatsy Mozambika. Raha tsiahivina ny vokatra tamin’izany, ratsy satria resy hatrany tao anaty vondrona nisy ny Malagasy ary gisitra ny Barea. Laharana faha-7 tamin’ireo firenena 7 nandray anjara.

Noho io vokatra io ny antony tsy maintsy hirosoan’ny tomponandraikitra eo anivon’ny federasiona malagasy amin’ny fanovana. Marihina fa tany amin’ny taona 2015 no nisalotra ny maha tompondakan’i Afrika azy ny Barea, izay nentin’ilay Frantsay, i Claude Barabe ka nahafahan’i Madagasikara niatrika ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany natao tany Portugal. Tsy mbola fantatra kosa hatreto na ho mpanazatra vahiny indray na ho Malagasy ihany no hitondra ny Beach Soccer, amin’ity. Ny heno aloha dia i Franck, mpanazatra mpanampy an’i Solofo no handimby azy. Mbola baraingo ihany koa izay hanampy azy.

Ankoatra izay, tsy mahafantatra ny fisian’ny Beach soccer, amin’ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2023), tanterahina eto Madagasikara ny federasiona malagasy (FMF), na dia efa nampahafantarin’ny Komity olympika malagasy (COM), ny asabotsy lasa teo aza, ireo taranja hifaninanana amin’izany.

 

Fitia (Mpianatra Asa)

Partager sur: