Depiote Andrianandrasana Norbert: “Mila hatsaraina ny sosialim-bahoaka”       

“Efa betsaka ny vitan’ny fanjakana amin’ny fotodrafitrasa. Ny amin’ny sosialim-bahoaka, tao anaty lavaka isika nandritra ny taona maro. Miezaka ny fitondram-panjakana mijery izay amin’izao fotoana izao. Mila hatsaraina izay, araka ny fahitanay azy“, hoy  ny depiote, Andrianandrasana Norbert Marie Ignace.

Any Mananjary, ohatra, ny tantsaha no tokony hojeren’ny fanjakana akaiky indrindra.

Mandalo fotsiny ny fanomezana zaraina ho an’ireo sahirana  toy ny  vola 100 000 Ar, vary, menaka… Ny fanomezana masomboly sy zezika no zava-dehibe. “Rehefa voky ny vahoaka, mandeha ho azy ny rehetra”, hoy izy.

“Efa maro ny fikaonandoham-pirenena natao “, hoy izy. Ilaina izany raha hitondra fahombiazana, nefa misy ny kajikajy politika. Araka ny tenin’ny filoha sy ny fitondram-panjakana, aleo miroso amin’ny fanatanterahana fifidianana.

Inona ny tanjon’ny fikaonandoham-pirenena? Araka ny tenenin’ny mpanohitra dia hoe mba tsy hisian’ny korontana. Inona moa no tokony hisian’ny korontana eto ? Mijery ny vahoaka ny fitondram-panjakana. Maro ny zava-bita . Na fahasalamana izany, na fampianarana ny tanora na lehibe… Mbola be ny tsy vita sy tokony hatao.  Tokony hanohanana ny filoha hahazoany manohy ny asany ho tonga amin’ny tanjona: ny velirano 13 izany.

R.Nd.

Partager sur: