Fahatarana amin’ny fomba fiasa: nampisavorovo ireo depiote ny bokin’ny tetibola 2023

Nampiaka-peo ireo depote amin’ny fahataran’ny fahatongavan’ny boky be mirakitra ny tetibola 2023 eny Tsimbazaza. Anisan’ny tsy faly ireo avy amin’ny tsy miankina sy ny solombavambahoaka avy amin’ny fanoherana.

Nitabataba sy tsy faly. Samy nifampahatsiahy ireo teny an-dapa, omaly fa tsy maintsy ny faran’ny volana oktobra farafahatarany no tonga eny an-tanan’ireo depiote ny boky mirakitra ny tetibola, araka ny voalazan’ny lalàna. Nambaran’ny depiote Razarapiera Fidel  fa efa nisy fihaonana teo amin’ny kestora Jean Michel Henri sy ny depiote, ny 2 novambra ka fantatra tamin’izany fa tsy mbola feno ka tsy mbola nozaraina ilay boky. “Tsy mbola tonga aty aminay izany, nanomboka tamin’io fotoana io nefa mazava ny lalàna fa eny an-tanan’ny depiote sy voazara izany ny 30 oktobra“, hoy  i “Del kely”. Nandany ny lahadinika ny depiote tamin’io 2 novambra  io, araka ny nambarany. Nampiaka-peo ity depiote avy amin’ny fanoherana ity fa tokony hatao fanadihadiana ireo niresahany sy nitakiany izany boky izany ary afaka mijoro vavolombelona ireo tomponandraikitra eny Tsimbazaza.  Nailiky ny minisitry ny Toekarena sy ny vola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo  any amin’ny olon-kafa anefa izany, araka ny nambarany. “Aza afindra any amin’ny Antenimiera ny tsy fahaiza-miasanareo  ary aza andaingana izahay… Mahasoritiny anay izany… Isika depiote indray izany izao no diso“, hoy izy.

Terena holaniana anaty fotoana fohy

Tsy voapetraka sy tsy voazara izany, hatreto, araka ny nambarany. Nanamafy izany ny depiote Johasy Eleonore fa fanaovana tsinontsinona ny vahoaka izao fomba fiasa izao. Nanteriny fa tena manana fahasahiana ny minisitry ny Vola nanambara ny amin’ny nilazany fa efa nalefa eny Tsimbazaza izany boky izany, ny 30 oktobra. “Tsy marina izany raha ny tenako manokana. Ialana tsiny indrindra. Aoka samy handray andraikitra tandrify azy avy araka ny lalàna. Terena holaniana anaty fotoana fohy tsy ahafahana mandinika izany“, hoy ihany izy. Nohitsiny koa fa lasa tsy mahay ny asany izany ny eo anivon’ny Antenimiera.

Etsy andaniny, nilaza ho efa naharay izany, ny 28 oktobra ireo depiote IRD. Nailika amin’ny tsy fahatongavan’ny depiote  mivory izany ho an’ny sasany ka tsy nahazoany ilay boky.

Tokony ho niroso nodinihin’ny vaomieran’ny tetibola, omaly tolakandro izany raha tsy nisy ny fiovana.

Synèse R.

 

 

Anisan’ny novelabelarin’ny minisitry ny Vola tamin’izany ny vola 45 miliara Ar hanatanterahan’ny Ceni ny fifidianana. Tsy nofaritany kosa anefa ny fifidianana hampiasana io vola io. 

Nambarany koa fa anatin’izany koa ny tetibola ho an’ny lalambe migodana “Autoroute” Antananarivo sy i Toamasina. Ny hametrahana ilay fantsona lehibe hitarihan-drano any atsimo ary koa ny fananganana ozinina isaky ny distrika.

 

Partager sur: