Famantarana ny soratraretina: tonga ny fitaovam-pitarafana IRM ao amin’ny IMM

Tsy mitsahatra mivoatra ny fitsaboana sy ny fitarafana ary hanampy ny mpitsabo sy ny marary ny fahatongavan’ny fitaovam-pitarafana IRM ao amin’ny IMM Anosy. 

Fitaovam-pitarafana avo lenta mampiasa andriamby lehibe ny IRM (imagerie par résonance magnétique) ary ny rano ao amin’ny vatana no ampiasainy ka avokany ho lasa sary. 40 taona no nikirakirana ny IRM maneran-tany ho fanatsarana ny fitsaboana, indrindra ny famantarana ireo soratraretina tsy hitan’ny fitarafana hafa toy ny scanner, échographie… « Azo jerena amin’ny IRM avokoa ny taova rehetra eo amin’ny vatana, indrindra ny soroka, lohalika, loha… ny lalandra tapaka na tsentsina hitondrana fitsaboana haingana », hoy ny lefitry ny tale ara-pitsaboana ao amin’ny Institut médical de Madagascar (IMM)Anosy, dokotera Dama Janick, omaly. Efa manana ity fitaovam-pitarafana ity ny IMM Anosy hitondrana fanavaozana amin’ny fitsaboana sy fitarafana ary mandray marary manomboka amin’ny herinandro ambony. Ny mpitsabo no mangataka ny fitarafana hanampy amin’ny fijerena ny soratraretina hampahomby ny fitsaboana. Ohatra, 30 minitra aorian’ny tranga miseho dia hita taratra amin’ny IRM ny lalandra tapaka na tsentsina fa tsy miandry fotoana ela (ora maromaro) toy ny amin’ny scanner. Aman-jantony isan’andro ny olona manao fitarafana ao amin’ny IMM fa ireo marary manana olana amin’ny fahatapahan’ny lalandra sy ireo niharan’ny lozam-pifamoivoizana no maro anisa manatona. Manampy isa ireo hopitaly manana IRM ny IMM. Manana teknisianina efa voaofana mikirakira ny fitaovam-pitarafana izy ireo. 15 ka hatramin’ny 45 minitra ny faharetan’ny fitarafana ary tsy maharary no tsy mampiasa rayon X ka tsy atahorana ny tranga hafa aterany.

Vonjy A.

Partager sur: