Fampandehan-draharaham-panjakana : manana anjara ny lehiben’ny boriborintany 

“Manana toerana goavana amin’ny fampandehanan-draharaham-panjakana eny anivon’ny kaominina ny lehiben’ny boriborintany”, hoy ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, i Tokely Justin, tany Vohipeno, ny faran’ny herinandro teo, momba ny toeran’ny solontenam-panjakana eny ifotony. Tsy tokony hohadinoina fa mpanampy ny solontenam-panjakana eny ifotony ny lehiben’ny boriborintany, fa ny lehiben’ny distrika sy ny prefet no solontenam-panjakana.

Koa rariny sy hitsiny raha omena ny toerana sahaza azy ireo lehiben’ny boriborintany, indrindra amin’izao fikarakarana fifidianana izao. Eo ihany koa ny fanavaozana manontolo ny lisitry ny mpifidy. Manana andraikitra goavana amin’izany ny lehiben’ny boriborintany, manao tantsoroka amin’ireo rantsamangaikan’ny Ceni eny anivon’ny kaominina sy ny distrika.

Izay no anton’ny hijerena sy hanentanana azy ireo hatrany amin’ny asa atao amin’izao  fotoana izao amin’ny fiatrehana ny fanomanana ny fifidianana, araka ny nambarany. Ao anatin’izany ny fanavaozana manontolo ny lisitry ny mpifidy, ny hetsika fanomezana kopia sy karapanondro maimaim-poana amin’ny alalan’ny fitsarana mitety vohitra.

R.Nd.

Partager sur: