Fanapahan-kevitra ny CSM: mpitsara efatra nahazo fanasaziana 

Mpitsara 1er Grade avy ao Toamasina nahazo fampitandremana, araka ny fanapahan-kevitra tamin’ny fivorian’ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara (CSM), ny faran’ny herinandro teo. Eo koa ny mpitsara iray avy ao amin’ny faritra Sava, “3ème Grade, 3ème échelon”, nahazo sazy faniniana; mpitsara iray “3ème Grade, 2ème échelon”, eto Antananarivo, nampidinana “échelon”; mpitsara iray “4ème Grade”, miasa eto Antananarivo, nahazo fampiatoana amin’ny asany mandritra ny enim-bolana, ary mpitsara iray “4éme Grade, 3ème échelon” nahazo ny fampiatoana ny fanenjehana.

Nisy ny fampahatsiahivana an’ireo lehiben’ny sampam-pitsarana amin’ny fanajana na tsiambaratelon’ny fanadihadiana mba hisian’ny fiarovana zon’ny voampanga ho tsy manan-tsiny mandra-pahavita ny raharaham-pitsarana sy misy didy manameloka azy ary ny fisian’ny toromarika mifandraika amin’izany. Fanapahana-kevitry ny CSM koa ny fananganana vaomiera manokana hanara-maso ny fitondran-tenan’ny mpitsara sy ny fanomanana fanofanana mpitsara ary ny amin’ny fifandraisan’ny mpitsara sy ny Bianco.

Nisy koa ny fanoloana ny anaran’ny tonia mpampanoa lalàna eo anivon’ny fitsarana tampony, sy ny fanoloana ny anaran’ny filohan’ny fitsarana fandravana didy, izay hatolotra eo anivon’ny filankevitry ny minisitra ny fankatoavana izany.

R.Nd.

Partager sur: