Fitsarana sy famonjana: hivoaka ny boky torolalana hisorohana ny kolikoly 

Hivoaka amin’ny volana desambra izao ny boky torolalana hisorohana sy iadiana amin’ny kolikoly eo amin’ny tontolon’ny famonjana eto Madagasikara, araka ny tari-kevitry ny Vaomieram-pirenena mahaleotena momba ny zon’olombelona (CNIDH). Efa ao anatin’ny atrikasa famaranana ny famolavolana ny boky ny tomponandraikitra, amin’izao fotoana izao any Antalaha. Mandray anjara ny tomponandraikitra eny amin’ny fitsarana, ny mpiasan’ny fonja ary ireo firaisamonim-pirenena mikarakara manokana ireo voafonja. Nifantohan’ny adihevitra ny antony mahatonga ny fanaovana kolikoly sy ny fijerena ny vahaolana mifanaraka amin’izany horaketina anatin’ny boky hampiasaina. Samy hijery ny asa tokony hataony mifandraika amin’ny andraikitra tandrify azy avy ny mpivory. Hiainga amin’ny fenitry ny Firenena mikambana napetrak’i Nelson Mandela momba ny fikarakarana ireo voafonja ny fandrafetana ny boky torolalana. Hampihena ny fanaovana kolikoly ny fanamaivanana ny dingana samihafa amin’ny raharaham-pitsarana sy ny fahazoan’ny voafonja rehetra ireo zony fototra amin’ny fahasalamana sy ny zo maha olona. Ho fitaovana hampiasain’ny mpiasan’ny fitsarana, ny tomponandraikitry ny fonja ary ny daholobe ity boky torolalana ity. Nivoitra nandritra ny atrikasa efa vita fa tokony hangarahara sy ho maimaim-poana avokoa ny tolotra eny amin’ny fitsarana sy ny rafitry ny famonjana hisorohana ny fanaovana kolikoly. Nanohana ny atrikasa ny OIF aty amin’ny ranomasina Indianina.

Vonjy               

Partager sur: