Havatsa-Upem: hotsaroana i AéRa

Tafiditra ao anatin’ny faha-70 taonan’ny Havatsa-Upem. Hotanterahina ny 24 novambra izao ny « Tsiahy an’i … AéRa », takariva fahatsiarovana an’i André Rakotondranaivo na i AéRa. Hetsika hotanterahina any Frantsa, fa hampitaina mivantana sy afaka arahin’ny rehetra amin’ny alalan’ny « zoom », manomboka amin’ny 8 ora sy 30mn, oran’i Madagasikara (6 ora sy 30mn, ora any Frantsa. Fotoana ahafantarana misimisy kokoa hatrany momba ity mpanoratra sady mpanabe ity. Handray anjara amin’ny fanentanana ny Havatsa-Upem foibe sy ny fianakaviana ary ireo mpankafy ny asa sorany.

Raha tsiahivina, i André Rakotondranaivo no nanoratra ireo boky anisan’ny namolavolana ny zaza malagasy any an-tsekoly. Anisan’izany ny « Kajy fototra », ny « Fahalalana tsotsotra », sns.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: