Nanakoako tamin’ny tambajotran-tserasera ny faharendrehan’ny lakana na Sambo nitondra ny ampahany tamin’ny Tarika Wawa, omaly, tany amin’ny faritra Analanjirofo. Tranga iray, hanentanana ny mpivezivezy sy mpampiasa ny fitaovam-pitaterana an-dranomasina amin’ny tapany Avaratra Antsinanan’ny Nosy iny mba samy ho malina. Anatin’ny vanim-potoana fahavaratra isika ankehitriny, mahery ny riaka sy ny tafiotra. Fotoana tsy tsara ho an’ny fiondranana an-tsambo sy an-dakana raha ny tena marina. Kanefa angaha moa manam-pidiny ? Aiza ity lalana ? Raha handeha fiaramanidina, tsy an-jaza ny sarandalana efa ho roa tapitrisa Ariary latsaka kely. Handeha fiara indray : angaha tonga any Maroantsetra intsony, ny taksiborosy midangana dia midangana amin’ny haratsian-dalana ny sarany. Fitaingenana môtô no vahaolana farany, saingy hanofa tsy latsaky ny 500000 Ariary raha avy aty Toamasina. Miampy an’ireo anefa ny loza mety hihatra eny an-dalana. Mbola voatokana ho an’ny mpanampanam-bola anefa ireo, tsy natao ho an’ny sarambabem-bahoaka izany.
Tsy tokony hadino anefa fa faritra tena manankarena, afaka misehatra tsara amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara raha Analanjirofo. Toerana ahitana harena voajanahary isan-karazany : fanondrana, azo ahodina eto an-toerana. Mitobaka ny vokatry ny fambolena, mirarakompana ny harena an-kibon’ny tany, tsy lany laniana ny vokatra an-dranomasina. Ny fizahantany, manginy fotsiny. Tsy tambo isaina ny herijika ho enti-mandroso.
Mipetraka foana, araka izany, ny fanontaniana, amin’ny mahavita ity lalam-pirenena fahadimy ity ? Zary fitaovana entina manao politika sy hitadiavana vaton’ny mpifidy. Raha misy aza ny asa atao, toa alasafay sy fampandriana adrisa. Tsy mahagaga anefa izany satria azo heverina ho paikady entin’ny mpanambola hitadiavana tombom-barotra misimisy kokoa ny fitokana-monina. Rehefa tsy tafavoaka ny vokatra, mora ny hividianana sy hanangonana azy. Rehefa mikatso ny fitaterana, hamidy lafo koa ny kojakoja ilain’ny mponina andavanandro. Iza anefa no afaka migoaka izany ? Ny mpandraharaha sy mpanao politika manana fitaovam-pitaterana afaka amin’ny lalan-dratsy.
Eto ary, hampanenoina ny lakolosy ho an’ny fitondram-panjakana foibe, izay efa mibodo fahefana, tsy marisika amin’ny fitsinjaram-pahefana ihany, mba hijery manokana sy araka ny tokony ho izy ny any amin’ny faritra. Tsy Analanjirofo ireny akory no marary amin’ny lalana fa maro ireo tanàna lavitra andriana. Mazava ny tenin’ny Filoham-pirenena fa tsy misy distrika hadino intsony. Fotoana izao hirosoana amin’ny asa sy vokatra ary fanaovana tombana ny zava-bita. Tsy fanaovana fampanantenana sy fizarana vina tsy ho vita anatin’ny fotoana fohy. Efa fotoam-pifidianana rahateo izao, na hoe mbola anatin’ny fanomanana aza isika.
Raha fehezina, tsy tokony hisy intsony ny olon-tsotra na vahoaka madinika ho fatifaty ho azy kanefa misy ny fisorohana azo atao amin’ny alalan’ny fanatanterahana ny toky nomena sy ny fampanantenana natao. Am-bava hiomana e !
r.r