Kaominina Ampanihy: ankizy 10 amin’ny 50 ihany no mianatra

Zon’ny ankizy ny mianatra ankoatra ny zony hilalao, raha ny fanambarana iraisam-pirenena momba ny zon’ny ankizy maneran-tany.  Mbola mila ezaka goavana anefa ny fanajana ny zon’ny ankizy any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy iny. Ho an’ny ao amin’ny kaominina an-drenivohitr’Ampanihy, faritra Atsimo Andrefana, ankizy 10 amin’ny 50 ihany no hany mianatra, raha ny salanisa, nambaran’ny ben’ny Tanàna any an-toerana. Tsy anaty efitranon-tsekoly manara-penitra anefa no ianaran’ireo ankizy fa eo am-bodihazo midoroboka. Tsy misy rindrina, tsy misy dabilio, tsy misy solaitrabe hianarana, tafo lanitra ary miaina anaty vovoka sy rivotra mifofo.

Maniry mafy ny hahazo fampianarana sy hianatra hamaky teny sy manoratra anefa ny ankizy ka tsy maintsy mihafy amin’ny zava-misy ao an-toerana.

Voakasik’izany ireo ankizy any amin’ny fokontany lavitry ny renivohitry ny distrika. Amin’ireo fokontany 55 ao Ampanihy, zara raha mianatra ny mpianatra amin’ireo fokontany 40 fa reraky ny hanoanana na ny mpampianatra na ny ankizy.

Vao mihataka kilaometatra vitsy  ny tanàna ka mihazo ny ambanivohitra dia tsy misy sekoly intsony. Voatery tsy maintsy miakatra an-tanàna ny fianakaviana sy ny ray aman-dreny raha te hampiana-janaka. Tsy manana fahefa- mividy anefa ny ray aman-dreny.

Vokany, alefa miandry ondry aman’osy ny ankizy fa tsy vita ny mandefa azy an-sekoly. Ireny biby fiompy ireny no hamidy indray rehefa tena lany tsy misy horaisina ny an-tanana mba hahafahana mivelona.

Manampy ny ray aman-dreny amin’ny fitadiavana kitay, mitady rano hosotroina… izany sisa no ataon’ny ankizy. Misy olona amin’ny fokontany sasany aza no voatery tsy maintsy mandeha any amin’ny 2 km miala ny tanàna vao mahita rano hosotroina.

Tsy rano madio anefa fa tena ranom-potaka, rano mihandrona efa nisotroan’ny biby fiompy toy ny ondry aman’osy aza no ampiasaina satria tsy mahita. Reraka ny ankizy ka na ny hifantoka amin’ny fianarana aza tsy vitany, ho an’ireo mba niangaran’ny vintana tafiditra mianatra.

Tatiana A

Partager sur: