Nanome fitaovana informatika sy ny kojakoja miaraka aminy ho an’ny fikambanana Avana ny Orange solidarité sy ny Fondation BOA, omaly, teny Androhibe. Fikambanana mandray ireo ankizy autiste tsy afaka manaraka fampianarana mahazatra any an-dakilasy ny Avana ary manome fanabeazana mifanaraka amin’ny toe-tenan’ny ankizy raisina an-tanana ao. Ankoatra ny fampianarana ny ankizy hahaleo tena amin’ny fiainana andavanandro, ampianarina hifehy zavatra hafa koa izy ireo, toy ny fikirakirana fitaovana informatika. Niaraka nanolotra ny fitaovana ny filohan’ny Fondation BOA-Madagascar, i Sidika Akbaraly sy ny filohan’ny Orange Solidarité Madagascar, i Benja Arson, teny Androhibe, omaly. Hanofana ny mpanabe ao amin’ny Avana koa ny Orange solidarité ho lasa coach super codeurs ka hisy fihaonana isam-bolana hahafahan’ny ankizy rehetra raisina an-tanana mandray anjara.
Nanohana ny Autisme federation Madagascar, nanomboka ny taona 2021 ny Orange solidarité amin’ny fanentanana samihafa momba ny autisme ary manampy amin’ireo hetsika fampivoarana ny fandraisana an-tanana azy ireo.
Vonjy A.