Manana talenta ny Malagasy raha ny tontolon’ny sarimihetsika. Mametraka ny fahaiza-manaony tsikelikely ireo mpanan-talenta amin’izany. Manomboka ahitana vokatra lehibe ankehitriny ny ezaky ny tsirairay.
Sarimihetsika fohy manana ny lazany eran-tany eo amin’ity tontolo ity i “Imanitrala”, an’i Edgard Ravahatra, notontosain-dRanarisoa Andry. Isan’ny nivoaka nandritra ny “Rencontre du Film Court”, izay niova anarana ho “Madagascourt Film Festival”, ny taona 2020 ity sarimihetsika ity. Taorian’izay, nisolo tena an’i Madagasikara nandritra ny “75ème festival de Cannes” izy. Teo no nahababo ny vahiny mpiantsehatra eo amin’ny sarimihetsika tamin’i “Imanitrala”.
“Imanitrala” sanganasa niavaka sy nisongadina tamin’ireo nifaninana taminy. Fampisehoana ny zava-misy miavaka sy mahalina no nanababoan’ny mpanoratra sy mpanatontosa ny mpahay sarimihetsika. Notrandrahin’izy ireo ny karazana sarimihetsika mbola tsy be mpitrandraka teto Madagasikara. Raha ny fanehoana an-tsary, mampiaina zava-misy feno zava-mahagaga ity sarimihetsika ity.
Mitantara fiainana miaramila tso-piaina tsy maintsy nandao ny vady aman-janany noho ny fanompoana mandritra ny roa taona izy. Tany amin’ny tanàna lavitr’Antananarivo, tamina mpivady antitra, no nanatanterahany ny asany. Lina tamina tantarana vehivavy mandihy eny an-tendrombohitra rehefa hariva, antsoina hoe “Imanitrala” ity miaramila ity. Tsy nataony nahasakana azy hijery ny zava-misy rahateo ny maha vahiny azy teo an-tanàna. Nanosika azy ihany koa ireo mivady nampiantrano azy. Ny fikatsahana tafahoatra loatra no nahatafalatsaka an’ity miaramila ity tamin’ny fandrika, izay efa nahazo ny teo an-tanàna teo aloha.
Isan’ny handeha mandritra ny fanokafana ny “17ème Madagascourt Film Festival” ity horonantsary ity, ny zoma 25 novambra 2022 izao.
Lin (Mpianatra asa)