Vatovavy, Fitovinany, Atsimo Atsinanana: hohamafisin’ny Bianco ny ady amin’ny kolikoly…

Napetraka ny herinandro teo hitantana ny rantsamangaikan’ny Bianco any Manakara i Mananjara Andy. Am-perinasa avy hatrany izany ary nametraka fanamby hanamafy ny ady amin’ny kolikoly ho an’ny faritra  Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo Atsinanana. Anisan’ny antony nametrahana izany maha faritra mamokatra sy manana tanjaka ara-toekarena ireo faritra ireo. Mila fiantohana ny fanajana ny tany tan-dalàna sy ny fitandroana ny hasin’ny fandraharahana eo amin’ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana, araka ny lahateny nifandimbiasana. “Tanjona ny hampanjakana ny fahamarinana sy ny fitantanana madio mba hirindran’ny fomba enti-mampandroso ireo faritra telo ireo“, hoy ireo tomponandraikitra. Hifotoran’ny Bianco amin’izany ny fampiharana ny lalàna. Eo koa ny fanabeazana sy ny fisorohana…

Nanentana ny mponina ny Bianco mba tsy hiraviravy tanana manoloana ny fihanaky ny fahalovana eo amin’ny fiarahamonina. “Aoka hifanome tanana sy handray ny andraikitra manandrify azy manoloana ity loza manambana sy efa an-koditra ity“, hoy izy ireo. Ampirisihina ny fahatongavan-tsain’ny maro sy ny fiaraha-mientan’ny rehetra fa efa ety ifotony ny Bianco.  “Hiasa ho an’ny tombontsoan’ny daholobe ho enti-mandrindra ny fiarahamonina mba tsy hisy raorao. Fanamby ataontsika miaraka ary aseho ho hitan’ny mponina eto amin’ny faritra telo iadidiany ampahibemaso”, hoy ihany izy ireo.

Synèse R.

 

 

Partager sur: