Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, teny amin’ny Le Pavé Antaninarenina, ny tetikasa karakarain’ny Afham (Fikambanan’ny Vehivavy manana fahasembanana eto Madagasikara). Nitondra ny lohahevitra hoe: “Ny tenantsika, ny safidintsika: ho fampiroboroboana ny zo ho salama ara-pananahana ho an’ny vehivavy manana fahasembanana”. Tetikasa tohanan’ny ONG Care sy vatsian’ny Agence Française de Développement (AFD) vola.
Maro ireo vehivavy sembana, tsy mankany amin’ny toeram-pitsaboana noho ireo fanilihana ankolaka mahazo azy ireo, raha ny fanazavana nataon-dRazafinjatovo Fela, filoha nasionalin’ny Afham, ka antony nanaovana ity tetikasa ity.
Sehatry ny fahasalamana ara-pananahana natokana ho an’ny vehivavy sembana no iasana amin’izany, izay hotanterahina any amin’ny faritra Amoron’i Mania sy Alaotra Mangoro, toerana ahitana sembana betsaka indrindra, raha ny fanazavana hatrany. Fampiofanana ireo mpiantsehatra amin’ny tontolon’ny fahasalamana ny atao mandritra ny hetsika. Tanjona ny hahafantaran’ireo vehivavy sembana izay tokony hatao rehefa mankeny amin’ny toeram-pitsaboana. Misy koa ny fizarana boky ho an’ny olona sembana mikasika ny zon’izy ireo. Atao mandritra ny 15 volana izany, nanomboka ny 01 novambra 2022 hatramin’ny janoary 2024.
Mino ( Mpianatra Asa)