“3400 miliara ariary ny vola nampidirina, taona 2022”

Mampidi-bola ho an’ny fanjakana ny fadintseranana, ohatra, tamin’ny  tetibola farany ho an‘ny 2022 ho 3000 miliara ariary ny vola ampidirina, hita anefa izao mihoatra io tanjona tratrarina io ny vola miditra amin’ny kitapom-bolam-panjakana, dia nampiana 3400 miliara ariary tamin’ny fanitsiana ny tetibola 2022. Hita izao fa ho tratra izany raha tsy misy zavatra miova. Raha tsy tratra mety ho kely dia kely ihany.

Ny tsara asongadina dia 32 % ny fiakaran’ny fampidiram-bola raha oharina tamin’ny 2021. Atao ambonimbony hatrany ny tanjona koa 4427 miliara mahery indray amin’izao tetibolam-panjakana aroso eny amin’ny Antenimieram-pirenena izao.

Ankoatra izay, ny fanavaozana ato amin’ny fadintseranana mandeha, ohatra “100 % scanning”, izay efa vita ny any Mahajanga, ny any Toamasina hisy roa, ho vita amin’ny faran’ny desambra, hahafahana mamoaka entana anatin’ny ora telo manomboka amin’ny voalohan’ny taona, sy hanamafisana ny fanaraha-maso.

Betsaka ny mpiara-miasa nanampy ara-bola sy ny teknika ny ladoany amin’ny fanatanterahana ireo fanavaozana ireo nanomboka ny taona 2020. Nanampy koa ny OMD sy firenena maro. Ny tanjona dia hitondrana ny fadintseranana malagasy avo lenta, hanamora ny fandraharahana, ireo mpanafatra sy mpanondrana entana. Hita izao fa efa mba misy fiovana eny amin’ny seranam-piaramanidina.

 

Ndrina

Partager sur: