Olana tsy ahafahan’ny mpamonjy voina manatanteraka ny asany ny tsy fahampian’ny fitaovana enti-miasa. Ezaka ataon’izy ireo anefa ny hanatsara ny fahaiza-manaony eo amin’io asa iandraiketany io, raha ny fanadihadiana natao. Vokany, nisitraka fitaovana vaovao indray izy ireo omaly. Fitaovana sy fitafiana iarovan-tena, ho entin’ny sampana mpamonjy voina miasa ka nitotaly 15 baoritra izany. Izay fanomezana avy amin’ny « Association Madagascar Energie”.
Manohana sy manampy betsaka ny sampana mpamonjy voina izao fanolorana fitaovana azy ireo izao, hoy ny kolonely Razafimanahaka Tiana. Ezaka lehibe ampitomboana ny fifandraisana sy ny fanatonana ny vahoaka ihany koa izao, hoy hatrany izy. Nifanakalo hevitra ihany koa ny roa tonta taorian’izany. Mba hanohizana hatrany ny fiaraha-miasa.
Tsiahivina fa in-telo amin’izao ity fikambanana ity no nanolotra fitaovana toy izao ho an’ny sampana mpamonjy voina. Tsy tapitra hatreto ny fiaraha-miasa misy eo amin’ny roa tonta fa mbola hitohy hatrany. Mba hanatsarana ny kalitaon’ny asa eo amin’ny sehatry ny famonjena voina eto Madagasikara.
Mino ( Mpianatra Asa)