Edith Barijaona: hivoaka ny boky « Vorona ô! Le messager !»

O’Suzah sy Barijaona, andrarezin’ny hira malagasy. Nanomboka tany ho any amin’ny taona 1950, ka hatramin’izao, mbola tsy lefy laza ireo hira nokaloiny : « Hanina an’ny Neny », « Sompatra », « Kio, kio, kio »… Ankoatra ireo feo kanto nananany sy ahatsiarovan’ny maro azy, fantatra fa hamoaka boky momba ireto ray aman-dreniny ireto i Edith Barijaona. Havoakan’ny Edisiona Tsipika amin’ny fomba ofisialy, ny talata 29 novambra izao, manomboka amin’ny 10 ora maraina, ao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy (Efitrano Jaomanoro), ity boky ity.

Edith Barijaona, zaza fahatelo ao anatin’ny dimy. Mpanao hatsikana sady mpanoratra. Miara-miasa amina olon-kafa izy tamin’ny fandikana amin’ny fiteny malagasy ny voarakitry ny « Vorona ô ! Le messager ! ». Tafiditra ao anatin’izany ny tantaran’i O’Suzah sy Barijaona, ireo tononkira maro, fijoroana vavolombelona, sns.

Marihina fa fikarohana efa natombony tany amin’ny 10 taona lasa izao havoaka boky eto Madagasikara izao.

Nanangona : HaRy Razafindrakoto

Partager sur: