Voaantso teny anivon’ny polisy ekonomika Anosy, ny Tale mpanatanteraka eo anivon’ny Transparency International Initiative Madagascar, Ratoa Ketakandriana Rafitoson, omaly. Mpitory ny vondron’ny mpanondrana Letisia na ny GEL.
Nampanatsoin’ny teo anivon’ny polisy ekonomika, etsy Anosy ny tale mpanatanteraka eo anivon’ny Transparency International Initiative Madagascar na ny TI-IM, Ratoa Ketakandriana Rafitoson, omaly. Notorin’ny Vondron’ny mpanondrana letisia na ny GEL izy. Marihina fa fitoriana azy manokana fa tsy ny fikambanana izay tantanany. Antony, noho izy ampangaina ho nanao fanontsanana tsy marim-pototra na fanendrikendrahana (dénonciation Calomnieuse), fanevatevana (dénonciation abusive), fanambaniana (dénigrement), fanakorontanana (désorganisation).
Mialoha izao, efa nisy fifamaliana teo amin’ny fikambanana roa tonta, tamin’ny alalan’ny fanambarana folo andro lasa izay no miseho ity fitoriana azy ity.
Mifampitory
Ny 10 novambra, nanao fanambarana ny TI-IM nilaza fa nametraka fitoriana teny amin’ny tribonaly frantsay (PNF) sy ny sampandraharaha misahana ny ady amin’ny kolikoly (PAC) momba ny fomba fiasan’ny GEL. Nanao karazana ampamoaka momba ny kolikoly manodidina ity seha-piahariana ity ny fikambanana. Araka ny tatitra, tsy misy ny mangarahara amin’ny fitantanana ny fanondranana letisia teto Madagasikara. Anisan’izany ny fanomezana orinasa frantsay roa tsy anatin’ny GEL ny tsena makany ivelany. Nilaza hatrany ny fanambarana fa mandoa latsakemboka ao amin’ny GEL ireo orinasa kanefa natokana ho an’ny orinasal Malagasy ity fivondronana ity. Nilaza araka izany fa manahy ny fisiana kolikoly avo lenta ny TI-IM. Ireo voka-pikarohana tao anatin’ny roa taona ireo no nentin’ny TI-MG nametrahana fitoriana teny anivon’ny PNF sy ny PAC.
Mitsipaka ny GEL
Tetsy ankilany, namaly ny teo anivon’ny GEL fa tsy ekeny ireo fehin-kevitra avy amin’ny TI-MG izay manosi-potaka azy ireo, ny 14 novambra teo. Naneho ny fahavononany hitondra fanazavana misimisy manoloana ny fitantanana fanondranana ity fivondron’ny mpanondrana letisia ity. Tsy mbola nisy koa ny fanakanana ireo mpanondrana letisia nahafeno ny fepetra takiana, hoy hatrany ny teo anivon’ny GEL.
Ankoatra ny ao Eroapa, voafetra ho 17 500 T isan-taona ny vokatra haondrana, mivelatra amin’ny firenena hafa toa an’ny Dubai, Mayotte, hatrany Egipta sy Rosia ny fanondranana eto Madagasikara.
Nanamafy ny fisian’ny mangaraharaha amin’ny sehatra fanondranana ny vokatra letisia ny tatitry ny GEL fa tsy araka ny tatitry ny TI-MG velively.
Mihenjan-droa ny tady ! samy tsy mbola nandrenesam-peo ny andaniny sy ny ankilany, omaly taorian’ity fakana am-bavany an-dRatoa Ketakandriana Rafitoson ity.
Tsiferana Randriatiana