Federasionin’i Rosia: manokana vatsim-pianarana 40 ho an’ny mpianatra 

Nanome vatsim-pianarana 40 ho an’ny mpianatra ny Federasionin’i Rosia ary misandrahaka amin’ny sampam-piofanana maro izany ho an’ny taom-pianarana 2023-2024. Natokana ho an’ny mpianatra vao afaka bakalorea ny tolotra ka efa-taona ny faharetan’ny fotoam-pianarana, roa taona kosa ho an’ny mpianatra hanomana Master, dimy taona mahery ho an’ny olona hiofana manokana amin’ny lalam-piofanana iray (spécialiste) ary iray volana ka hatramin’ny 10 volana ho an’ny fianarana fanamafisana fahaizana. Ireo hisitraka ny vatsim-pianarana dia hanaraka fampianarana maimaim-poana ary ho voakarakara koa ny fahasalamany mandritra ny fe-potoana hijanonany any an-toerana. 40 dolara ka hatramin’ny 50 dolara isam-bolana ny vatsim-pianarana homena azy ireo, araka ny fanazavana navoakan’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony. Olona manana ny mari-pahaizana bakalorea ary 25 taona farafahabetsany, salama tsara ary mahazaka ny hatsiaka mamanala no fepetra takiana ho an’ireo afaka bakalorea. Mbola misy ny fepetra maromaro hafa toy ny fitondrana sora-bola 250 dolara ho saran’ny fandehanana mamonjy ny oniversite hianarana, 250 dolara isan-taona ho fiantohana ny fahasalamana, Tokony handefa vola 250 dolara isam-bolana koa ny ray aman-dreny ho fanampin’ny vatsim-pianarana omen’ny Rosianina. Manampy ireo ny sora-bola 250 dolara ho saran’ny fizaham-pahasalamana tsy maintsy ataon’ny mpianatra. Mbola ny mpianatra ihany koa no manefa ny saran’ny fikarakarana ny visa sy ny transit (raha misy), hoy ny fanazavana. Hikatona ny 6 desambra ny fandraisana ny antontan-taratasy ho an’ireo liana hisoratra anarana hianatra any Rosia. Eny anivon’ny sampandraharaha misahana ny vatsim-pianarana any ivelany no anaterana ireo taratasy rehetra ilaina. Afaka misoratra anarana amin’ny « internet » koa ireo manana fahafahana manao izany sy mijery ny andinindininy rehetra, hatramin’ny faran’ny volana izao.

Vonjy            

Partager sur: