Fidinana ifotony: hitokana fotodrafitrasa any Fitovinany ny filoha

Hidina ifotony any amin’ny distrikan’i Manakara, faritra Fitovinany ny filoham-pirenena Rajoelina Andry, manomboka rahampitso. Anisan’ny anton-diany any an-toerana ny fitokanana fotodrafitrasa maromaro, hitondra fampandrosoana ho an’ny faritra Fitovinany. Eo koa ny fanombohana ny asa sasany.

Mitohy hatrany ny asa fanatanterahana ireo velirano nataon’ny filoham-pirenena ary misitraka izany avokoa ireo faritra rehetra manerana ny Nosy“, hoy ny fanambarana eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika, omaly.

Ny fomba fanaovana politika

Tsiahivina fa efa tany an-toerana, nanamarika ny faha-75 taonan’ny  29 marsa  ny filoha Rajoelina, tamin’ity taona ity ary nanambara fa tsy mbola vita ny tolona eo amin’ny fahazoana ny tena fahaleovantena marina. “Tsy fitiavan-tena, tsy fitiavam-bola, tsy fisomparana ny namana, tsy fitiavam-pahefana, tsy fifampialonana ny fanaovana politika…”, hoy izy tamin’izany. Miatrika ny ho avy isika, mandalo fotoan-tsarotra ny firenena sy izao tontolo izao ka tokony hisy ny firaisan-tsaina sy firaisam-po eo amin’ny samy Malagasy, araka ny nambarany… “Efa nilaza aho fa vonona hatramin’ny famoizana ny aiko ho an’ny tanindrazana…“hoy ihany ny filoha.

Synèse R.

Partager sur: