Naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora ireo vehivavy telo voalaza ho mampiasa tovovavy amin’ny asa mamoafady ana habaka. Mbola hokarohina sy hosamborina ihany ireo tambajotra minia mbola manao izany.
Naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora ireo vehivavy miisa telo voasaringotra amin’ny fampivarotan-tena ankizivavy. Herinandro vitsy lasa izay, nahazo vaovao momba ity asa mamoafady ity ny zandarimariam-pirenena. Voalaza tamin’izay fa misy ramatoa iray monina eny Ambohidrapeto Itaosy eny mampiasa tovovavy amina resaka mamoafady. Ataony izany mba hahazoany vola sy tombon-tsoa manokana. Araka izany, izy no miantoka ny trano sy ny fitaovana rehetra entina hanaovana ity asa mamoafady ity. Toy ny solosaina, ny “connexion” ary ny filahiana plastika. Ao anatin’izany, manaraka ny baikon’ireo teratany vahiny ireo tovovavy rehetra ireo amin’ireo fihetsika mamoafady. Tsy maintsy ataony izany, mandrapahatapitry ny sitrapo sy fahafinaretan’ireo vazaha. Etsy ankilany, mahazo 50 dollars isaky ny mahafeno 5000 isa ireo tovovavy. Izany hoe manodidina ny 200.000Ar eo no azony isaky ny mahafeno ny isa tratrarina ny tsirairay. Atakalo eny amin’ireo mpanakalo vola vahiny eto an-toerana kosa ireo vola “dollars” ireo, hoy ny zandarimaria. Nomarihiny tamin’izany fa eny amin’ny “Islande cash” eny Ambohipo ilay toerana fanakalozana ireo vola. “Coomeet” kosa no anaran’ilay “site pornographique” nampiasain’ity tambajotra ity.
Maty paika
Efa voavolavola sy mipetrapetraka ny teti-dratsy tamin’ity asa mamoafady ana habaka ity. Tsy vitan’ny voafitaka ireo tovovavy mpiasa fa mbola afa-baraka noho ity fivarotan-tena ataony. Araka ny fifanarahana dia 70.000Ar isaky ny asa vita ny anjaran’ireo tovovavy. Ny ambiny kosa, izany hoe ny 130.000Ar dia an’ny mpampiasa azy.
Tra-tehaka, ny zoma lasa teo, ilay ramatoa sy ireo vehivavy miisa dimy hafa. Sarona nandritra izany koa ireo solosaina miisa fito, “camera” iray, filahiana plastika ary pasipaoro iray. Taorian’ny fandihadiana, niakatra fampanoavana ny raharaha. Tsy hijanona eo ihany koa ny raharaha fa mbola hitohy ny famotorana lalina momba ity asa mamoafady ity. Atao izany mba hisamborana an’ireo minia mbola mampiasa sy manimba tanora toy izao.
Henintsoa Hani