Fivorian’ny eveka : hofaritana ireo laharam-pahamehana    

                “Miavaka ny fivoriana satria taorian’ny fitsidihana natao tamin’ny papa ray masina dia izao fivoriana izao no amaritan’izy ireo ny laharam-pahamehana pastoraly eo amin’ny fitantanana ny eglizy sy ny vahoakan’Andriamanitra, araka ny toromarika sy ny fifanakalozan-kevitra natao tany Roma”, hoy ny sekretera mpandrindra eo anivon’ny Fivondronamben’ny eveka (Fem), ny pretra Rafanomezantsoa Jean-Seraphin, momba ny fivoriambe ara-potoana ataon’ny eveka eny amin’ny Episkopa Ambatoroka, omaly sy anio, taorian’ny fihaona’izy ireo tamin’ny papa Fransoa sy ireo sampandraharaha eo anivon’ny fiketrahana masina any Roma.

Vao tsy ela ny fiangonana katolika no nanakatona ny dingana voalohany tamin’ny sinaody teto Madagasikara. Tsy izay dingana izay no hamaritra ny tsoa-kevitra ankapobeny iainan’ny englizy maneran-tany amin’ny sinaody. Na izany aza, nandray ho zava-dehibe ny tsoa-kevitra sy ny sosokevitra rehetra avy amin’ny vahoaka kristianina natao eto Madagasikara ireo eveka, araka ny fanazavany.

Raimandreny mpanoro hevitra ny eveka

Mandritra izao fivoriana izao, roa andro ihany, koa no hijeren’ireo eveka izay laharam-pahamehana vokatry ny sinaody hoenti-mamaritra ny sori-dalana pastoraly amin’ny fiaraha-miaina ao anatin’ny Eglizy, indrindra koa ny fiarahan-dia mankamin’ny fahamasinana sy ny fiombonana ary ny fandraisana anjara ahazoana miaina amin’ny fomba ankehitriny ny Evanjely torin’ny Eglizy.

Ifanakalozan’izy ireo hevitra sy jerena koa ny fiainan’ny vahoakan’Andriamanitra manerana an’i Madagasikara. Izay no hoe mitantana ny vahoakan’Andriamanitra. Raiamandreny ara-panahy ny eveka, indrindra raimandreny natao ho mpanoro hevitra sy hitantana ny vahoaka ary hanome hery sy fanantenana ho an’ny vahoaka amin’izao fivoriana izao.

R.Nd.

 

Partager sur: