Kaominina Mananjara: efa-dahy  tratra teo am-pandroahan’omby

Tafiditra anatin’ny hetsika ataon’ny zandary ny mandrava tambajotrana mpangalatr’omby eto amin’ny Nosy. Nisy, araka izany, voasambotr’ireo zandary miasa ao amin’ny distrikan’i Mahitsy. Ny 12 novambra teo, nisy namoaka ireo omby telo tao am-pisoko tao amin’ny fokontany  Ankeniheny Alarobia, kaominina Mananjara. Natao ny vela-pandrika. Natomboka  ny fanarahan-dia sy ny angom-baovao rehetra. Vokany, tratra teo am-body omby, araka ny fitenenana ireo jiolahy.  Tratra nandroaka omby teny amin’ny lalana mihazo ny renivohitra, ireo dahalo, afakomaly.   Fantatra tamin’ny fanadihadiana  fa omby halatra ireo noroahin’ireo olon-dratsy. Voalaza nandritra izay koa  ny olona mpividy  ny entana.

Nisy ny fiaraha-miasa teo amin’ny zandarin’Ambohidratrimo sy Mahitsy ary ny mponina nahazoana  izao vokatra izao, raha ny fanazavana voaray. Mba tsy hisian’ny fandikan-dalàna toy izao no antony mahatonga ny hetsiky ny mpitandro filaminana. “Tafiditra amin’izany ny fandravana ny tambajotrana mpangalatr’omby toy izao. Araka izany, ezahina ny hanafoana ity tambajotra ity”, hoy ny zandarimaria. Taorian’ny famotorana, nampidirina am-ponja vonjimaika ireo voasambotra tamin’ity raharaha ity. Etsy ankilany, karohina ireo olona mpividy omby halatra. Mbola hitohy manaraka izany ity hetsika ataon’ny ny zandarimaria ity.

 

Mino ( Mpianatra Asa)

 

Partager sur: