Ramamimampionona Gérard: “Manomboka eo amin’ny tsirairay ny fandriampahalemana”

Mirongatra ny tsy fandriampahalemana tato ho ato. Inona ny vahaolana? Maneho ny fijeriny ny mpandinika fiarahamonina, Ramamimampionona Gérard: “Inona no atao hoe olombelona? Raha misy ny tsy fandriampahalemana, ny olona no olana. Raha vao tsy araka ny tokony ho izy ny olona, tsy mandry fahalemana izay.” Dinidinika…

Gazety Taratra (*): Ahoana ny fahitanao ny tsy fandriampahalemana amin’izao? 

Ramamimampionona Gérard (-): Tsara fantarina aloha ny fametrahana ny olombelona amin’ny lanjany, ny hasiny, ny ainy, ny famendrehany… Inona ny olombelona? Raha misy ny tsy fandriampahalemana, ny olona no olana. Raha vao tsy araka ny tokony ho izy ny olona, tsy mandry fahalemana izay. Any no manomboka ny tsy fandriampahalemana: olona mitebiteby, matahotahotra, miahiahy… Voabe ve izay? Ny vatana vonona hiasa, ny saina mandala fahamarinana, ny fo manam-pitiavana, ny fanahy afa-mandanjalanja sy manoro lalana. Mipetraka araka ny tokony ho izy ve ny tsirairay amin’ny maha olona azy?

Nefa tsy maintsy mifandray amin’ny hafa sy ny manodidina azy ny olona. Mila beazina koa ny eo amin’ny lafiny fianakaviana, mpiray tanàna, mpiara-miasa, mpiray fiangonana… Rehefa tsy voapetraka amin’ny toerany ireny, miteraka korontana. Mila milamina ny olona tsirairay, ary tokony hilamina koa ny fifandraisana sy ny fifandrohizana misy.

Tsy voabe ny olona tsirairay. Vokatr’izay, tsy mazava ny fifandrohizana amin’izay antony ihavanana na iaraha-miasa amin’ny olona, ohatra, fa samy maka ho azy: tsy mifanome hasina, tsy manaja ny fahamendrehan’ny hafa, tsy mitady afa-tsy ny soa ho an’ny tena… Izay no tena olana, mahatonga ny tsy fandriampahalemana.

* Inona ny manaraka izay?

– Ny fianakaviana no tokony hisy fandriampahalemana manaraka ny isam-batan’olona: ray aman-dreny sy zanaka. Amin’izao, saika potika ny fianakaviana. Nefa ao no anovozana ny soatoavina, ianarana… Ny fahapotehan’ny fianakaviana koa no miteraka fahapotehan’ny fiarahamonina, fa samy maka ho azy amin’izay. Lasa fifandroritana fotsiny sisa ny eo amin’ny fiainana.

Tsy mipetraka amin’ny toerana tokony hisy azy intsony ny tsirairay no mahatonga ny tsy fandriampahalemana, fa eo koa ny fifandraisan’ny samy olona: tsy misy fifanajana… Rehefa tsy hajaina fa heverina ho toy tsy misy hasina ny olona iray, vita ny mamono azy. Lasa zavatra hafa no eo ambonin’ny olombelona: vola, fahefana, voninahitra… Izay hahazoana izany sisa no zava-dehibe, fa tsy misy dikany ny olona.

* Ahoana no hisorohana sy hiatrehana an’izay?

– Ny fampiharana lalàna… Ny amin’izay, somary goragora ihany indraindray ho an’izay tratra manao fandikan-dalàna, manao herisetra… Misy fandoavam-bola na fanaovana kolikoly amin’izany, lasa zava-doza eo anivon’ny fiarahamonina hoe azo vonoina ny olona mba hahazoana zavatra iray; avy eo, miala ho azy.

Eo koa ny lafiny toekarena: rehefa noana ny vatana, mivezivezy ny fanahy. Mba hisian’ny fandriampahalemana, ezahina ny famaliana filana fototra eo amin’ny olona rehetra: sakafo, trano, fanabeazana… Manomboka milamina ny olona rehefa milamina izay. Ny fanontaniana lehibe: ny fandriampahalemana ve no mitondra  fivoarana sa ny fivoarana no mitondra fandriampahalemana? Miara-dalana izany. Rehefa milamina ny olona, afa-miasa tsara; rehefa miasa tsara sy mivoatra izy, milamina ho azy.

 

Nangonin’i R. Nd.

Partager sur: