Toamasina: mpanao gazety voatrobaka antsy

Tsy mandry fahalemana i Toamasina. Lasibatra ny mpanao gazety iray miasa amina fahitalavitra tsy miankina manana foibeny tao Antananarivo miaraka amina vady aman-janany indray, ny alatsinainy 21 novambra, teo anoloan’ny tsenan’ Ambolomadinika tokony ho tamin’ny 6 ora sy 30 minitra. Nivoaka kely ny tokantranony  izy telo mianaka mba hampiasa vantana andehandeha an-tongotra harivariva. Nataon’ny rainy tsangory ny zanany kinanjo, nosakanan’ny tovolahy iray ny vadin’io mpanao gazety io.  Nanambana antsy lavalela teo amin’ny tendany  ity olon-dratsy ity. Tsy vitan’io,  nandrahona haka ny poketra nifatotra teo amin’ny andilany ilay jiolahy. Niezaka namaly izy mivady ka  nalefan’ilay jiolahy avy hatrany ny antsy teo amin’ny tendan’ilay ramatoa. nisolifatra izany ka ny sandriny havia no rovitra.  Nifatratra tany amin’ny kibon’ilay mpanao gazety ny antsy. Voan’ilay antsy, nianjera tamin’ny tany  ilay renim-pianakaviana. Nipitika noho izany ilay ankizikely telo taona teo amin’ny dadany. ” Mbola hamaly sa hanome ilay poketra”, hoy ireo jiolahy. Vokany, nanome  ilay poketra misy vola sy finday tao anatiny ity mpanao gazety ity sy ny vadiny.

Navotan’ny Bajaj

Bajaj sendra nandalo no sahy namonjy azy telo mianaka ireto. Nohitsiny  tamin’ny Bajaj ilay jiolahy ka vaky nitsoaka. Nampiakatra ireo telo mianaka naratra mafy ilay mpamily. Nentin’io mpamily io teny anivon’ny hopitaly  ireto lasibatra ireto. Tsy naka sarandalana  ny mpamily sady tsy nisy vola rahateo ireto niharam-boina. Mbola nidiran’ny jiolahy tao an-tokotaniny anefa ireto fianakaviana mpanao gazety ireto ka lasa ny jirobe teny ambony tafo.  Tsiahivina fa lasibatry ny olon-dratsy ny mpanao gazety miisa enina  tao anatin’ny 10 volana. Nofofon’ny jiolahy ny ain’ny dimy mianadahy tamin’izy ireo.

Sajo/ Tsiferana R

Partager sur: