“Zaza RAP TAIZA“: Tsy mbola nisy teto ny hetsika homanina

Hiditra amin’ny andiany faha-6 ny hetsika “Zaza rap taiza”. Nanao vikin-dava anefa ny mpikarakara, satria tsy hitovy fiseho tamin’ireo andiany teo aloha mihitsy ny amin’ity. “Tsy mbola nisy teto Madagasikara hatramin’izay ity. Efa ela no naniriana hanao toa izao…”, hoy ny filazan’i Tovolah, mpitarika ny Kolontsaina Mainty, izay mandray an-tanana ny fikarakarana ity hetsika goavana ho an’ny tontolon’ny Hip-Hop ity. Hetsika izay hotontosaina mandritra ny hateloana, ny 8 hatramin’ny 10 desambra izao, etsy amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina.
Nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, omaly, tetsy Andraharo no nanamafisan’ny mpikarakara fa ho avy avokoa ireo mpanakanto vahiny nasaina. Anisan’ireo andrasan’ny mpankafy ry Nuttea, Youssoupha, Busta Flex, Blacko. Tsy dia tena fanta-daza fa ho avy ihany koa i Noémie, mpanakanto any Frantsa misy ra malagasy. Na izany aza, tsy ho latsa-danja mihitsy ireo mpanakanto malagasy nosafidiana handray anjara toa an-dry Bolo, Eklyps, Da Hopp, Tangena, Joyce Mena, Epistolier, sns. “Amin’ny maha label tsy miankina anay, tsy dia manana tetibola ho an’ny fampahafantarana ny mpanakanto izahay, fa mampiasa kosa ny tambajotran-tserasera izarana izay hataonay. Ny fampiarahana ireo mpanakanto vahiny sy ny eto an-toerana amin’ny hetsika goavana toy izao no hampiakatra ihany koa ny rap eto an-tanàna”, hoy hatrany ny fanazavan’i Tovolah. Nohamafisiny fa “fitaizana voizina anatin’ny rap ny fahatongavan-tsain’ny mpiara-monina. Tokony hahatsapa koa ny mpanakanto fa manan-danja izay resahany manoloana ny fiarahamonina. Ny rap nataonay hatramin’izay dia misy hafatra sy tsikera, misy fitakiana, miresaka ny olana fa mitondra vahaolana sy vina ihany koa. Ao anatin’izay fomba fijery izay daholo ireo mpanakanto handray anjara rehetra ireo, na vahiny na Malagasy. Tsy ireny “mi-rap rap” fotsiny ireny”.
Fantatra ihany koa fa mialoha ny hetsika, hisy ny famelabelaran-kevitra izay hatao eny Ankatso, ny alarobia 7 desambra. Vahiny milomano anatin’ny hip hop avy any Etazonia no hitarika izany ka hizara ny momba ny indostrian’ny zavakanto maneran-tany izy ireo.

Zo ny Aina

Partager sur: