Nifarana hatreo ny fandraisana anjaran’ny ekipa malagasy Cospn,amin’ny fifaninanana BAL (Basket ball Africa League). Faharesena intelo nisesy no azony, tamin’ny fifaninanana “Elites 16”, nanomboka ny talata lasa teo, tany Johannesburg Afrika Atsimo. Efa taorian’ny fifandonana nanoloana ny Ferroviario Da Beira Mozambika, ny alarobia 23 novambra, no fantatra fa tsy isan’ny hanohy ny fifaninanana intsony i Madagasikara, rehefa resy tamin’ny isa 53 no ho 84. Mbola vao mainka voamarina, omaly izany, noho ny faharesena fanintelony, nanoloana ny Matero Magic Zambia, tamin’ny isa 81 no ho 83. Araka io isa io, niady mafy ny Cospn tamin’ity lalao farany natrehiny ity, saingy tsy ampy hiakarana intsony amin’ny dingana faran’ny fifaninanana BAL anefa izany. Na izany, traikefa maro no noraisina nandritra ny dingana voalohany natao teto Madagasikara, nahitana vokatra tsara iny dingana faharoa natao tany Afrika Atsimo iny. Ampy hanarenana ny lesoka ireny tsy fahombiazana ireny, raha ny nambaran’ny mpanazatra ary hoentina sahady hanatsarana ny fanomanana amin’ny fifanintsanan’ny BAL 2024 izay mbola ny Cospn hatrany no hifaninana amin’izany, amin’ny taona hoavy.
Mi.Raz