Depiote Andriamampandry Todisoa: “Tsy mitsinjo ny sosialim-bahoaka ny tetibola”

“Tsy manaraka ny laharam-pahamehana amin’ny vahoaka ny tetibolam-panjakana, 2023, ary tsy nanaraka lalàna”, hoy ny depiote Tim, Andriamampandry Todisoa, teny Tsimbazaza, afakomaly. Talohan’ny 30 oktobra teo no tokony ho nizarana izany ho an’ny depiote. Vao dimy andro ny nanomezana izany. Tsy araka ny lalàna izany.
Tsy voafehy ny vidim-piainana. Hita soritra amin’ny tetibola izany. Tsy navoakan’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny vola ny taham-pisondrotan’ny vidim-piainana, fa hatramin’ny faran’ny aogositra ihany no navoaka: 9,4%. Tsy navoaka koa ny septambra ka hatramin’izao. Efa miakatra be izany ka tsy tiana ho fantatra. Tsy misy fangaraharana ny tetibola.
Lazaina fa ny fampiakarana ny karaman’ny mpiasam-panjakana sy ny tsy miankina no hamehezana ny vidim-piainana. Tsy izany no hamehezana ny vidim-piaina. Hahena ny ary omena asa maharitra ny olona. Hatao koa ny famokarana anatiny sy ny fanondranana.

R. Nd.

Partager sur: