Famahana olana: mitaky ny hiverenana any ifotony ny Hiffim

“Mahatsapa izahay raha izao iainan’ny firenena izao amin’ny maha olom-pirenena, tsy maintsy miverina ifotony isika. Miverina amin’ny maha Malagasy, miainga avy any ifotony: na ny rafitra apetraka, na ny fomba fitantanana amin’ny ankapobeny, na ny fampandrosoana”, hoy ny Hetsika iombonana ho an’ny fanarenana sy fanorenana ifotony an’i Madagasikara (Hiffim), Rako­tomalala Henri, momba ny fi­joroan’izay vovonana izay te­ny Antaninarenina, afakomaly.
Manana olana ara-drafitra i Madagasikara, fa nalaina tahaka avy any ivelany ny lalàmpanorenana. Hampivondrona ny hery velona rehetra mahatsapa fa ilaina ny miverina ifotony sy miverina an-doharano. Na ny toe-tsain’ny Malagasy amin’izao aza, novolena tsy hifankatia sy tsy hifampatoky. Tsy atokisan’ny vahoaka ny mpanao politika; ny samy vahoaka, tsy mifankatia; ny samy mpanao politika, tsy mifankatia.
Tantely afa-drakotra ny harem-pirenena, fa ny vahiny no manjakazaka satria tsy mifankatia isika. Anton’ny ijoroan’ny vovonana Hiffim izany. Tena hiainga avy any ifo­tony ny fampandrosoana, ary hametraka ny hasina. “Hamboarina ny lalàmpanorenana miainga avy any ifotony ary eken’ny rehetra mba hahatonga ny rehetra ho mpiantsehatra amin’ny fampandrosoana”, hoy izy.
Hisy ny fanandraisana ireo soso-kevitra sy raki-kevitra eny Antaninarenina, anio.

R. Nd.

Partager sur: