Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny Farimbon-tsendikaly eo anivon’ny Jirama, ahitana ny Sat/Jir, Semm, Usam, Fisemare, Malaimisaraka, SRMM, Sekrima, TM. Nambaran’izy ireo tamin’izany fa vonona hanatanteraka ny asany ny mpiasan’ny Jirama. “Ho fanatsarana ny tolotra ho an’ny mpanjifa eo ambany fiahian’ny fitondram-panjakana izany. Tohananay sy ankasitrahanay koa ny ezaka fanarenana ataon’ny minisitera sy ny filankevi-pitantanana amin’izao fotoana izao”, hoy izy ireo teny Tsimbazaza, afakomaly. Nanterin’ny fanambarana fa fotoana fanarenana ny orinasa Jirama izao. Tsy fotoanan’ny fanakorontanana na fitokonana izao. “Manentana ny mpanjifa sy ny mpiasa mba tsy hiroaroa saina ary aoka ho tony mandrakariva”, hoy ihany izy ireo. Nampanantena ireto mpiasa ireo fa vonona hatrany hiasa ho an’ny vahoaka.
Synèse R.