Nankalaza ny andro iraisam-pirenena ho an’ny Baiboly ny Fikambanana mpiara-mamaky ny Baiboly eto Madagasikara, omaly, teny Antaninarenina. Nanasana ireo solontena isam-piangonana misy eto amin’ny Nosy, toy ny avy amin’ny Anglikanina, Katolika, FJKM, Advantsita…. Nahitana fikambanana maro samihafa ihany koa tamin’izany. Anisan’izany, ny mpiara- mamaky ny baiboly, fampirasaina kristianana rehetra ho an’ ny firenena….
Ny tanjona tratrarina tamin’ity fankalazana ity dia ny mba ho heniky ny fahalalana an’i Kristy amin’ny alalan’ny Soratra Masina i Madagasikara sy hambolena fahazarana hamaky Baiboly ao anatin’ny olona. “Baiboly miisa 80 000 no ezahina ho lafo amin’ity taona 2022 ity”, raha ny fanazavana nataon’i Hasina Andrianambinintsoa, tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny mpampiely Baiboly eto Madagasikara.
Maro ny hetsika natao nandritra izany ho an’ny eto Antananarivo. Teo ny fampiofanana mikasika ny fitoriana ny Filazantsara amin’ny endrika vaovao ka nanaovana fifanakalozana: “60 andro fanorenana ara-tsoratra masina” hotanterahina amin’ny taona 2023. Nisy ihany koa ny fihenam-bidy ho an’ny Baiboly dikan-teny iombanana eto Madagasikara (DIEM) omaly. Mba hanentanana ny olona handray anjara amin’ny tetikasa “Baiboly iray isan’andro”. “Teny mamelona, teny mampitombo” ny lohahevitra tamin’ity taona ity.
Mino ( Mpianatra Asa)