Hotontosaina manomboka anio 25 novambra ka hatramin’ny 27 novambra 2022 ny foara ara-toekarena ny faritra Atsimo Atsinanana, any Farafangana. Nanazava ny atao rehetra mandritra io fotoana io ny Sekretera jeneralin’ny faritra, Atoa Rajaobelina Gérard sy Rtoa Razafitianamalala Muriel, filohan’ny EFOI* Atsimo Atsinanana.
Tanjona ny fampahafantarana ny vokatra misy any amin’ ny faritra sy ireo tetikasa manao ny asa fampandrosoana any an-toerana. Hisy ny solontena avy amin’ny sampandraharaham-panjakana avy any anivon’ny distrika mandrafitra ny faritra, mpandraharaha ara-toekarena sy ireo tetikasa tohanan’ny mpamatsy vola. Heverina manodidina ny 50 ireo mpandray anjara manana tranoheva amin’ io fotoana io.
Izao dia fanohizana efa nisy tany aloha, toy ny foaran’i Pangalana, nahitana fandraisana anjara ny faritra Vatovavy, Fitovinany, Amoron’i Mania, Atsimo Atsinanana. Fa ny atao izao kosa, natokana ho fampahafantarana ny faritra Atsimo Atsinanana, indrindra ireo vokatra malaza misy ao aminy. Hisy, noho izany ny fanaovan-tsonia fifanarahana fiaraha-miasa amina orinasa, izay vonona ny hampiasa vola any amin’ny faritra.
Ankoatra ny fampirantiana, misy ny lalao fanatanjahantena sy hetsika momba ny zavakanto hiarahana amin’ny tanora ao amin’ny faritra hanasana ny rehetra. Vonona tanteraka ny fanomanana. Isan’ny manome tanana ny faritra amin’ity foara ity ny GIZ Prada sy ny fandaharanasa Defis.
Ndrina
EFOI* : Entreprendre Féminin Océan Indien