Japana-Madagasikara: Imasoana ny fampandrosoana

Tao anatin’ny 60 taona, mi­tohy ary nanamafy ny fiaraha-miombona antoka amin’ny firenena malagasy eo amin’ny sehatry ny fampandrosoana, ny fanjakana Japoney araky ny masoivohony, Abe Koji tetsy Ivandry, omaly. « Maro ireo zava-bitan’ny fanjakana Japoney nandritra izay 60 taona izay », hoy ny masoivohony. Hanohy io ezaka efa nataony io izy ireo ho an’ny 60 taona manaraka. Manana tetikasa maro mahakasika ny foto-drafitrasa toa ny fanavaozana ny seranan-tsambon’ny Toamasina, ny lalam-pirenena faharoa izay andraisan’izy ireo anjara ny japoney. Mive­latra amin’ny fampivoarana sy ny fifanakalozana ara-kolo­tsaina koa izy ireo ary amin’ ny sehatra samihafa. Marihina fa nankalazaina tetsy amin’ny masoivoho ny Japana Ivandry ny famaranana ny fankalazana ny faha-60 taona nisian’ny fiaraha-miasa teo aminy sy ny fanjakana malagasy.

Tsiferana Randriatiana.

Partager sur: