Mpisolovava ny SGM: “Tsy ara-dalàna ny fanapahana karama”

“Ny manampahefana afa-manapaka ny karaman’ny mpi­karidraharaha dia ny minisiteran’ny Asam-panjakana irery ihany. Tsy tapatapahina toy izao fotsiny ny karama, fa tsy maintsy mandalo filankevitra fifampifehezana”, hoy ny Me Rafidison Eric, teny Anosy, afakomaly, manoloana ny fanapahana karama an’ireo mpirakidraharaha fitsarana miisa 56 noho ny fitokonana na efa nisy aza ny marimaritra iraisana nampiatoana izay fitokonana izay. Noho izany, nampiakatra ny raharaha amin’ny fitsarana ny Sendikàn’ny mpirakidraharaha eto Madagasikara (SGM).
Notapahin’ny minisitry ny Fitsarana tamin’ny alalan’ny taratasy tsotra ny karaman’ny mpirakidraharaha. Mazava ny lalàna, marina fa miankina amin’ny minisiteran’ny Fitsa­rana ny ny mpirakidraharaha. Rehefa arahina ny lalàna, fampitandremana sy sazy faniniana no farany azon’ny minisitry ny Fitsarana atao amin’ny mpirakidraharaha. Izay no sazy noho ny fandikan-dalàna ambaratonga voalohany.
Tafiditra ao amin’ny fanasaziana noho ny fandikan-dalàna ambaratonga faharoa ny fanapahana karama, araka ny fanazavany. Tsy miantsy misy fahadisoana noho ny fandikan-dalàna miakatra ny filankevitra fifampifehezana, ary tsy maintsy ilaina ny hevitry ny filankevitra fifampifehezana rehefa hampihatra io fanasaziana noho ny fandikan-dalàna ambaratonga faharoa io ny minisitera.

Famonoana no atao…

“Tena famonoana ankitsirano anay ny fandraisanay an’izany. Satria misy mpivady maromaro izay samy mpirakidraharaha no samy tapaka karama. Nefa tsy nasian’ny minisitra ny Fitsarana indrafo na kely aza ny fanapahana ny karaman’izy ireo”, hoy kosa ny filohan’ny SGM, Randria­maro Alain Michel. Manao antso avo ny filohan’ny Repoblika sy ny Praiminisitra hijery akaiky ny raharaha izy.
Tsy ny karama ihany no tapaka, fa eo koa ny tambin-karama amin’ny fahombiazana amin’ny fanatanterahana ny asa ho an’ny mpiasan’ny fitsarana manontolo rehefa volana desambra. Efa narangarangan’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana fa tsy hahazo na izay tambin-karama izay aza izy ireo. Tena vonoina tanteraka ny mpiasan’ny fitsarana noho ny fitakiana ara-drariny nataony. Manainga ny mpirakidraharaha rehetra tsy hihemotra amin’ny fitakiana ara-drariny hataon’izy ireo ho an’ny hasin’ny mpirakidraharaha izy.

R. Nd.

Partager sur: